airtel

Actualités

12-oct-2023

Leo delestazy ny vahoaka

Nidina an-dalambe ny tetsy Anosizato Andrefana

Sample post image

Tofoka sy leo tanteraka ny olona, ary miafara eny an’arabe ny fahatezerana vokatry ny delestazy.

12-oct-2023

Efa tena tsy rariny intsony ny fahatapahan-jiro ety amin'ny tanàna, hoy ireo mponin'Anosizato Andrefana manakaiky ny West Center sy ny mponin' Antandrokomby omaly.Tsy misy hoe ahoana na ahoana fa dia tapaka foana maraina atoandro hariva. Leo izahay koa dia maneho ny hevitray sy ny fahasosoranay, ety an'arabe. Avereno ny jironay! hoy izy ireo, izay nanapaka ny fifamoivoizana noho ny fahatezerana. Miverina eto ihany izahay raha mbola tsy voavaha io olan'ny delestazy manamaizina tanàna sy manamaizina ny fiainanay io, kanefa izahay mandoa faktiora foana, hoy ireto vahoaka tezitra ireto. Tsy vao sambany ny tahaka izao, vao andro vitsy ihany koa no nidina an-dalambe ny vahoaka teny Alakamisy Fenoarivo. Tsy amin’iny manamorona ny RN1 iny ihany, fa saika ny faritra rehetra. Eto Antananarivo, ohatra, dia matetika saika ny alina tontolo no tsy misy herinaratra eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina. Betsaka anefa ireo sehatra tena mila herinaratra na amin’ny alina aza, tahaka ny orinasa fanontana gazety, mpanao mofo sy ny maro hafa, manginy fotsiny ny fahamaizinan’ny tanàna izay manome vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap