airtel

Actualités

27-sept-2023

Actualités

Lonilony politikan’ny kandida iray Roahan’ny kaompania vahiny mpampiasa azy I Gangstabab…

Sample post image

Nahazo fampiantsoan’ny orinasa mpampiasa azy dia kaompania an’habakabaka vahiny iray I Faniry Alban Rakotoarisoa na Gangstabab omaly,

27-sept-2023

ka fampiomanana amin’ny fandroahana azy no voatoatin’io raha ny fanazavana. Mpikambana anatin’ny Randrana Sendikaly RVS ary solontenan’izany ao amin’io orinasa io moa ny tenany, ka nisy ny valan-dresaka nataon’io fiombanan’ny sendika io omaly, izay naneho fa gaga satria resaka politika no ilazana sy itarihana makany amin’ny fikatsahana handroaka mpiasa, hoy Atoa Barson Rakotomanga Sekretera Jeneralin’ny Randrana Sendikaly. Resaka adihevitra politika tamin’ny fahitalavitra no voalaza fa niaingan’io, izay noraisin’ny orinasa ho famoahana tsiambaratelon’ny asa mety hisy fiantraikany amin’ilay orinasa. Mpanjifa izay voalaza fa kandida filoham-pirenena no nitoroka, raha ny fanazavana. Voalaza fa namoaka tsiambaratelon’ny mpanjifa izay lasa misy fiantraikany amin’ny orinasa, raha nanao ilay hiran’I Lolo sy ny tariny hoe: “Izy anie ka mpivahiny ihany”, izay raha ny re moa dia nifanojo tamin’ny fandehan’ny mpanao politika iray sy ny ekipany nandeha nandao an’I Madagasikara. Nilaza moa ny Sendika fa tsy nisy fanononana orinasa mihitsy tao. Noho ny Antoko politika APM tarihin’I Alban Rakotoarisoa izay manolotra kandida no anton’io, ka resaka samy kandida sy resaka samy politika ve no hikatsahana hanimbana ny mpiasa, hoy hatrany I Barson Rakotomanga. Manan-jo hahafantatra ny antony sy ny porofo mazava ny mpiasa voapanga rehefa ohatr’izao, kanefa tsy nisy, hoy ny fanazavana. Tena hampiditra ny resaka politika handroahana mpiasa ve ilay orinasa ary mahatanty ny akon’izany fidirana amin’ny politika izany amin’ny fandraharahany eto ve? Hoy hatrany ny Randrana Sendikaly. Notsipihin’izy ireo rahateo, fa mpiasa manana ny maha izy azy, Delege sendikaly, efa manodidina ny 20 taona no niasan’I Alban Rakotoarisoa tamin’io orinasa vahiny io, ka tsy tokony hisy fandroahana handeha fahatany fa mila mandalo amin’ny “inspection de travail” sy ireo dingana rehetra. Tsy teo anivon’ny Filankevi-pifehezana ihany koa no nandeha ny raharaha, fa tonga dia teo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manantena noho izany ry zareo, fa tsy ho tonga amin’ny fandroahana ny raharaha, tsy tokony hanaiky baiko politika io orinasa io,... Andaniny, orinasa goavam-be izay tsy Malagasy ilay kaompania ka tena hihaino ireo sendika Malagasy ve?
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap