airtel

Actualités

09-févr-2024

Lonilony sy ady tany

Trano tsara tarehy voatery narodana tany amin’ny RN7

Sample post image

Niteraka resabe omaly ny zava-nitranga mikasika ilay trano tsara tarehy

09-févr-2024

narodana tao Tsarasaotra Ambositra, lalam-pirenena faha-7. Araka ny voalaza moa dia resy tamin’ny raharaham-pitsarana ilay nanorina ny trano teo amin’ny toerana ka antony naha voatery azy ireo handrodana ny efa nihariana an-taona maro. Gaga ny manodidina ka nametra-panontaniana hoe angaha dia tsy mba nisy fifanarahana azo natao mihitsy? Fa naninona raha novidiana ihany ilay tany rehefa mba nisy an’izao natsangana teo amboniny? Azo ambara ho nangasihasy hatramin’ireo mpitazana satria dia tena kanto dia kanto ity fonenana izay niorina teo an-toerana ity.
EFA NISY DIDY NILAZA FA MPANDRESY NY TOMPON’NY TANY FONY MBOLA TSY NITSANGANA NY TRANO ?
Raikitra ny toraka nandritra nandritra ny fandravana ny trano, ka mpandrava miisa 2 no naratra. Voalazan’ny manam-pahefana ao an-toerana fa efa ela no niady ireo nanorina ny trano sy ireo voalaza fa tompon’ny tany. Misy ny fanazavana milaza fa tamin’ny mbola tsy nitsangana akory ny trano no efa nisy didy nanamafy fa mpandresy ny tompon’ny tany, saingy nanohy ny andaniny. Ranomaso ny an’ny fianankaviana rava trano teo anatrehan’ity tranga ity. Voalaza fa nisy tamin’ireo fokonolona ihany koa nitoraka an’ireo mpandrava ny trano. Nitohana ny fifamoivoizana ka hatramin’ireo mpandeha taksibrosy ihany koa aza nandray anjara tamin’ny fitorahana, raha ny tatitra.
J. Mirija/Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap