airtel

Actualités

23-janv-2024

Loza voajanahary

1 maty, 5421 traboina, tanimbary 2200ha dibo-drano,…

Sample post image

Mitombo ny fahavoazana vokatry ny haratsian’ny toetr’andro dia

23-janv-2024

ny fisian’ny ora-mikija amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tafakatra 10 ireo faritra voakasika amin’izao fotoana izao dia Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Diana, Fitovavy, Melaky, Menabe, ary Sofia. Olona iray no namoy ny ainy izay tao Maevatanana no nisehoany, ary mahatratra 5421 kosa ny traboina izay mitsinjara amin’ny tokantrano 1393 araka ny tatitra nataon’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Tafakatra 2 486 avy amin’ny tokantrano 603 ireo olona voatery nafindra toerana, ka ny 1772 amin’ireo dia any amin’ireo toeram-pandraisana iraisana, ary ny 709 kosa any amin’ny fianankaviany na ny mpiara-monina. Ho an’ny ara-pitaovana kosa, tafakatra 1309 ireo trano dibo-drano, iray nisy fahasimbana, 24 rava. Miisa 14 kosa ny efitranon-tsekoly simba tamin’ny ampahany, 4 niala tanteraka ny tafony, ary 2 nirodana tanteraka. Ho an’ny sehatra ara-pambolena kosa, mahatratra 2203 hekitara ny tanimbary dibo-drano, ary 205 kosa no tototry ny fasika. Misy moa ny hetsika samihafa ataon’ireo manam-pahefana any ifotony sy ireo rafitra samihafa miantsehatra amin’ny maha olona mba hamahana ireo filana maikan’ireo olona lasibatry ny loza voajanahary. Mila vahaolana maika sy maharitra ihany koa ireo fahapotehana samihafa toy ny lalàm-pirenena, ireo fambolena simba,… satria tena henjana ny fiantraikan’ireny ara-toekarena sy ara-tsosialy.
FAMPITANDREMANA
Ankoatra izay, namoaka fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Diana sy Sofia indrindra ho an’ny Distrikan’Analalava, Mampikony, Bealanana, Port Berger ary Antsohihy ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Nihatra nanomboka ny 21 janoary teo io satria mahatratra 80 hatramin’ny 110mm ny hatevin’ny orana, ankoatry ny talio na ny tsio-drivotra mahery any Avaratra-andrefana fa eo ihany koa ny faritra andro ratsy na «convergence intertropicale ». Nahazo fampitandremana miloko mafo kosa ny faritra eo anelanelan’i Mahajanga sy Antsiranana ho an’ny 22-24 janoary noho ny onjan-dranomasina manonja be sy ny faharatsian’ny toetr’andro.

Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap