mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hatreto anefa dia mbola miisa 1.500 izy ireo manerana ny Nosy, mivondrona na tsia ao anatin’ny holafitra saingy ny 20% mahery dia mbola miasa any am-pitandranomasina avokoa. Soa anefa hoy ny Ministry ny asa vaventy Atoa Jerry Hatrefindrazana omaly fa betsaka ireo sekoly ambony mamokatra injeniera eto amintsika koa hampaherezina noho izany ireo tanora mpianatra Malagasy sy ny Ray aman-dReny isan-tsokajiny mba samy hanao izay ezaka vitany. Ato anatin’ny 10 taona ho avy mantsy ho izy dia mbola mila injeniera 40.000 isa i Madagasikara. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny injeniera hoy hatrany izy satria lalana iray hahafahan’ny Fitondram-panjakana mamita ireo asa kasaina tanterahina toy ny lalana…. Manana tombontsoa maro ny firenena manana injeniera araka izany. Marihina moa fa afaka miditra ho mpiasam-panjakana ny injeniera nefa afaka miasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina ihany koa. Nisy omaly ny salon nokarakarain’ny holafitry ny injenirta teny amin’ny Radisson Blu Ambodivoina. Trano eva am-polony maro no narantin’ireo injeniera mpandray anjara nandritra izany nentiny nampahafantarana ireo karazana fikarohana hataony sy ny asa miandry azy ireo. Hifarana anio alarobia 14 desambra ity hetsika ity.
Pati
Legende : Nampahafantatra ny voka-pikarohana nataony tamin’ny alalan’ny trano eva tahaka izao ireo injeniera mivondrona ao anatin’ny holafitra omaly
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa