airtel

Actualités

20-déc-2022

Actualités

Madagasikara Olona 8.300 isan-taona no matin’ny sigara

Sample post image

Tena mamono olona maro isan-taona ny fandraisana sy ny fifohana sigara sy paraky maneran-tany. Ho antsika eto

20-déc-2022

Madagasikara dia mahatratra 8.300 isa isan-taona izany ka ny 300 amin’ireo dia ilay mievoka ny fofon-tsigara haparitaky ny sasany ao an-tokantrano na any anaty fiarakodia….avokoa. Nisy araka izany omaly ny hetsika nokarakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONG Sahy teny Antanimena. Ankoatra ny fampahafantarana ny olona ny voka-dratsin’ny fifohana sigara toy ny aretin’ny avokavoka izay mety hihafara amin’ny homamiadana mihitsy ary mahafaty haingana dia nisy ihany koa ny fampahafantarana ny rehetra ireo karazana tarehimarika nangonin’ny OMG Sahy. Nambaran-dRamamonjisoa Haja ohatra fa raha mifoka sigara ny olona iray dia ny 25% ny setroka aparitany ihany no miditra any anatiny fa ny 75% dia ny fiarahamonina avokoa no mizaka ny voka-dratsiny. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia vahoaka tanora ny vahoaka Malagasy. Mihoatra ny 18 taona avokoa ny ankamaroan’ny mponina tamin’ny taona 2018 nefa ireo no tena mandray sy mifoka sigara. Nomarihiny manokana moa fa vokatry ny tsy fahampian’ny fialamboly, ny tsy fisian’ny asa na zavatra hatao sy hiandraiketana…no antony tena mahavoasarika ireo tanora eto amintsika hifoka sigara ka mian-dahy miam-bavy mihitsy izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap