airtel

Actualités

16-août-2022

Actualités

Maevatanana Nilaharana be indray ny gazoala

Sample post image

Hatramin’ny alahady hariva teo no efa nandeha ny resaka tao Maevatanana fa hoe: ho lany ny gazoala ka nikorapaka ny mpampiasa fiara.

16-août-2022

Vokany, raikitra ny filaharana, nitandahatra nilahatra ireo fiara maro be. Toa endrika maneho hatrany, fa mbola tsy tena mivaha ny olana amin’ny fitsinjarana solika eto Madagasikara. Ny 10 aogositra teo, nanaovana serasera be ny hoe: tonga eto amin'ny serantsambon'i Toamasina ny sambo mitondra solika antsoina hoe Hafnia Nanjing izay hamatsy an'i Madagasikara. Mitotaly 79000 m3 ny solika nentiny izay ahitana karazany telo: lasantsy na “Super carburant” 17000m3, gazoala 57000m3, solika fandrehitra 5000m3.Nambara fa tsy misy ahiana arak'izany ny famatsiana solika eto Madagasikara. Nambara fa ho tonga mialoha ny faran'ny volana aogositra izao ny famatsiana manaraka. Nialohan’ny fahatongavan’io sambo io, nolazaina hatrany fa ampy ny tahirin-tsolika, kanefa vao tonga io dia mbola nanaovana serasera mipoapoaka fa tonga ny solika. Nialohan’io rahateo, voalaza fa mbola nanana tahiry 15 andro isika, izany hoe: tsy ny solika no olana fa ny fitsinjarana sy ny famarotana, ary io mbola misy tarazony io. Heverina fa mbola noho ny lonilonin’ny Fanjakana sy ny kaompanian-tsolika hatrany no anton’izao. Talohan’izao mantsy dia voalaza fa ireo mpitatitra solika mihitsy no tsy nety nitatitra. Ny vola mifampiditra eo amin’ny Fanjakana sy ny kaompania samy manana ny ambarany satria ny andaniny milaza fa 550 miliara Ar, ny ankilany miteny fa 1068 miliara Ar. Tantara mitohy!
Toky R


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap