airtel

Actualités

22-janv-2026

Mafampana ao amin’ny HCC

Mandeha ny resaka hanonganana

Sample post image

an’i Florent Rakotoarisoa…

22-janv-2026

Mafampana ny toe-draharaha ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Omaly, niparitaka ny vaovao tsy ofisialy fa nisy fanapahan-kevitra fanalana ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Atoa Florent Rakotoarisoa ny alin’ny talata 20 janoary teo. Tsy mbola nivoaka tamin’ny fomba ofisialy io na izany aza. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany dia tokony ho omaly ihany koa no nifidianana izay hisolo azy, hoy ny vaovao niparitaka. Na izany aza, voalaza fa nahemotra ho an’ny omaly talata 21 janoary 2026 tamin’ny 10 ora maraina ny fifidianana. Tsy ela taorian’izay anefa, dia voalaza fa nisy baiko nanakatona tampoka ny lapan’ny HCC, ka tsy tanteraka intsony ny fifidianana kasaina hatao. Voarara tsy azo nidirana tokoa tao amin’ny lapa omaly, ka niveri-maina ny mpiasa sy ny mpikambana, ary ny tale lefitra misahana ny fiarovana no nandray ny andraikitra sy nanome toromarika rehetra. Nikatona tanteraka ny vavahady tao Ambohidahy. Araka ny fitsipika mifehy ny HCC, raha mahatratra 6 amin’ireo mpikambana 9 dia ara-dalàna ny fanapahan-kevitra. Raha ny tatitra omaly, saingy misy ihany koa ny loharanom-baovao nivoaka fa 5 tamin’ireo mpanolotsaina no nanohana ny fanesorana ny filoha, ka tsy feno ny « quorum » raha io lafiny iray io. Andrasasa izay mety ho fanazavana ofisialy, fa nanomboka omaly tamin’ny 7 ora maraina dia tsy nisy mpiasa na mpikambana afaka niditra tao amin’ny lapan’ny HCC. Nosakanan’ny miaramila izy ireo omaly tontolo, ary mety hitohy anio, ka rahampitso zoma vao afaka miverina miasa. Tsy hita teny an-toerana ny filohan’ny HCC raha tonga ireo mpikambana hafa, saingy tsy nahazo niditra tao amin’ny lapa ihany koa. Ny antony ofisialy nambara dia “raison de sécurité”, ary baiko avy any ambony no nampiharina, ka tsy nisy fanazavana fanampiny nomena ho an’ireo mpiasa, hoy ny tatitry ny filazam-baovao samihafa. Mafampana ny toe-draharaha ao amin’ity Andrim-panjakana ity ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Raha tsiahivina, ny fanapahana laharana faha-10 navoakan’ny HCC ny 14 oktobra 2025, dia mamaritra tsy azo ahongana na ravana ny andrim-panjakana toy ny HCC, tsy afaka manao fitsipaham-pitokisana na manongana ny filoha sy ny governemanta ny Antenimierampirenena, tsy azo ravana ny antenimierampirenena sy antenimierandoholona,… Endrika iray maneho fa misy ny arofanina napetraka tsy hisian’ny fifanozongozonana. Zavatra mety hitranga kosa anefa ny mety ho fiovana na fanovana filohana andrim-panakana, toy ny nitranga tao Tsimbazaza, ny fiovan’ny Filohan’ny CENI, ka mety mandeha koa ny endrika toy izany etsy Ambohidahy. Misy anefa ny fifandroritana ka mbola anatin’ny fifandirana sy fifandaminana anatiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap