airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

MAHAJANGA Nanapoaka basy teo am-pisotrosotroana ilay tovolahy

Sample post image

Tovolahy iray vao 30 taona monja no tratra nanapoaka basy tao amin’ny toeram-pisotroana iray tao tany Mahajanga ny 21 jolay lasa teo.

24-juil-2023

Raha tsiahivina kely dia nahazo antso ny UIR Mahajanga fa misy korontana ao amin'ny toeram-pisotroana iray ao amin'ny poteau mainty ka mihafara amin’ny fanapoahana basy izany. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana nisy ilay korontana ny Polisy ka tratra nandritra izany ity tovolahy ity. Niaraka tamin'ny basy vao avy napokany sy bala maromaro izy nandritra izany izay tombanana ho zanak’olona mahitahita. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy, an-kevitry ny tifi-danitra no nataon’ilay tovolahy fa tsy hoe hitifitra olona raha ny firesak’ireo nahita ny tranga. Nentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy ny ity farany natao fanadihadiana ary fantatra fa hiakatra fitsarana anio alatsinainy ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nanapoaka basy tao anatin’ny toeram-pisotroana
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap