tsy ampy ny vola ho an’ny tetikasa momba ny ala Mitombo hatrany ny filàn’ny mponina amin’ny hazo eto Madagasikara, ary araka ny fanadihadiana nataon’ny Dr Tahiana Ramanantoandro dia mahatratra 29,72 tapitrisa m³ ny hazo lany isan-taona, mitovy amin’ny 185 000 ha ala voatokana, raha kajiana amin’ny salan’isa 160 m³/ha. Ny ankamaroan’izany dia bois-énergie, izay mandrafitra 82,5 % amin’ny totaliny, ka 11,685 tapitrisa m³ ho an’ny kitay ary 12,639 tapitrisa m³ ho an’ny arina. Ny sehatra fanodinana hazo kosa dia mandany 5,494 tapitrisa m³ monja, izany hoe 18,5 %. Na dia nisy aza ny fanakanana ny fitrandrahana ala tamin’ny volana Janoary 2019, dia mbola nihanahazo laka ny fanondranana sy ny varotra tsy ara-dalàna, ka very hetra ny fanjakana ary mihamafy ny fahapotehan’ny harena voajanahary. Noho izany, ny governemanta dia nanapa-kevitra ny hanala ny fandraràna tamin’ny alalan’ny note 003-26/MEDD/MI navoaka ny 4 Febroary 2026, izay mamela indray ny fitrandrahana ara-dalàna. Ny FMH (Fikambanan’ny Mpikirakira Hazo) sy ny GNEFM (Groupement National des Exploitants Forestiers de Madagascar) dia manaiky fa ilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny sehatra, ho fanohanana ny toekarena sy ho fiatrehana ny fahantrana, ny tsy fananana asa ary ny fiakaran’ny vidim-piainana. Raha kajy, 185 000 ha no tokony ho voaomana ho hanaovana fambolena isan-taona mba hahafahana mamaly ny filàn’ny firenena. Tsy vitan’ny hoe mamaly ny filàna ara-toekarena sy ara-tsosialy ny fambolen-kazo, fa koa manampy amin’ny fiarovana ny ala sy ny zavaboary, amin’ny fitazonana ny biodiversité ary amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, hoy izy ireo. Ny fitrandrahana ala voafehy sy maharitra dia loharanon’asa sy fidiram-bola ho an’ny mponina eny ambanivohitra, manampy amin’ny famatsiana hazo fanorenana sy hazo fandoroana, ary manohana ny fananganana fotodrafitrasa. Na izany aza, tsy ampy ny vola natokana ho an’ny tetikasa maharitra momba ny ala, ary mbola tsy mahavita mamaly ny filàna ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Raha tsy misy fanohanana hentitra dia ho sarotra ny hanatratra ny tanjona amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny harena voajanahary. Mila fiaraha-mientan’ny governemanta, ny fikambanana samihafa ary ny vahoaka amin’ny fitantanana maharitra ny ala sy ny fanomezana lanja ny fambolen-kazo.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona