airtel

Actualités

18-avril-2023

Actualités

Malagasy Youth Business Meeting Mpandraharaha tanora maromaro nihaona tamin’ny Filoha

Sample post image

Araka ny efa fampahafantarana momba ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena omaly, dia nisy ny fihaonana

18-avril-2023

sy fifanakalozan-kevitra nifanaovany tamin’ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra na ilay antsoina hoe: “Malagasy Youth Business Meeting”. Anisan'ny nandray anjara tamin'izany izy 9 mianadahy voafantina tamin'ny famaranana ny "3,2,1 pitch by Fihariana" sy ireo tanora mpandraharaha misongadina eo amin'ny seha-pihariana samihafa toy ny fambolena sy fiompiana, ny fanodinana vokatra isan-karazany, ny fiahiana ny tontolo iainana, ny haitao ara-kajy mirindra,.... Nihaino ireto tanora ireto ny Filoha Andry Rajoelina ary nifampizara tamin'izy ireo ny traikefa ananany sy ny lalana nizorany teo amin'ny tontolon'ny fandraharahana, hoy ny tatitra. Noderainy manokana ny fahavononana nasehon'ireto tanora ireto hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara. "Mahavelom-panantenana sy fahatokisana amin'ny hoavin'ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara ny finiavana hasehonareo ankehitriny", hoy ny Filoha. Ankoatra ny fandaharanasa Fihariana izay efa manome fanohanana ireo tanora mpandraharaha maro dia nanambara ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana izay tarihiny fa hifanome tanana amin'ireo tanora, hampiroborobo ny seha-piharian'izy ireo. Notontosaina omaly ihany koa ny fanolorana ireo fanomezana manokana avy amin'ny Filoha Andry Rajoelina ho an'izy 9 mianadahy nanao ny famaranana ny 3,2,1, Pitch by Fihariana, izay natao teny amin’ny CCI Ivato. Irariana mba tena hisy ny politikam-panjakana hijerena sy hanosehana ny tanora handraharaha sy hamorona asa ho lasa fanoitra ara-toekarena fa tsy sanatria hijanona ho resaka ambony latabatra, toy ny fampanantenana maro izay betsaka no tsy tanteraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap