mila kaompania matotra !»
Nitondra fanazavana ny Fanjakana mikasika ny fitrandrahana solitany sy entona fandrehitra eto Madagasikara. Voalohany ny menaka mavesatra na « Fioul lourd » ao Tsimiroro, izay tanjona voalohany ny hamokatra angovo. Solika natokana hampihodinana toby herinaratra izy io, saingy azo ampiasaina amin’ny indostria lehibe koa. Misy ny Tsimiroro 3104, mizara atsimo sy avaratra. Ny atsimo dia tsy voakitiky ny orinasa mitrandraka, ka mila haverina amin’ny OMNIS. Ny avaratra kosa dia nahitana « fioul lourd non conventionnel » tsara kalitao, manana « soufre » latsaka 0,3%. Nifanaraka tamin’ny OMNIS 5 (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques) nanomboka 2004 ny vahiny iray, ho tapitra amin’ny 2040. Tsy mbola nahazo ny anjarany ny Malagasy, araka ny fifanarahana. Nampijanona ny orinasa noho ny olana ara-bola, ara-teknika sy fitsarana, ka tsy namokatra intsony hatramin’ny martsa 2016. Afaka mampiasa ny menaka mavesatra ao Tsimiroro ny Jirama rehefa mivadika HFO 700 na HFO 380, saingy mila fanoloana pièces sasany. Tsy afaka manolo izany ny Jirama raha tsy mahavita manome tolotra ny Kaompany. Efa nisy ny fanairana mba hampiasan’ny Jirama io solika eto an-toerana io, amin’ny vidiny mora raha oharina amin’ny solika nafarana, saingy niakatra ny mason-karem-pitrandrahana (coût pétrolier) noho ny tsy fananan’izy ireo vola, ka voatery mitrosa amin’ny zana-bola ambony. Hatramin’izao dia mbola miankina amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara. Galana, Jovenna, Vivo Energy, TotalEnergies no mpamatsy lehibe, manafatra solika efa voadio avy any Golfe na India.
MILA KAOMPANIA MATOTRA…
Mila kaompany matotra manana vola sy teknika ny firenena amin’ny fitrandrahana Tsimiroro. Azo atao ny mandrava ny fifanarahana amin’ny OMNIS sy ny Kompany ao Tsimiroro, satria tsy nampiakatra vokatra nandritra ny 10 taona, 2016-2026. Antony: tsy fananana fahaiza-manao, tsy fahampiana ara-bola, ary raharaham-pitsarana. Nanome toky ny kompany fa hiverina hamokatra, saingy hoy ny Fanjakana: “ny toky fitaka, fa ny atao no hita”. Eo am-pandiniana ny Ministera sy ny OMNIS, satria tsy afaka miandry lava ny Malagasy. Ny fitrandrahana ao Tsimiroro dia afaka mampihena ny fiankinan-doha, mahaleotena kokoa amin’ny « fioul lourd ». Kanefa tsy mbola manana orinasa mpanadio solika (raffinerie) i Madagasikara, ka mbola miankina amin’ny any ivelany ny lasantsy, gazoala, ary kérosène. Manana tahiry goavana i Madagasikara, indrindra ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Manohy mampiroborobo ireo faritra azo karohina (blocs) ny OMNIS, na an-tanety na an-dranomasina, mba hisarihana mpampiasa vola. Sokafana ireo « blocs pétroliers » mandritra ny promotion, manolotra faritra manana hery ara-jeolojika. Hazavaina amin’ny mpandraharaha vaventy sy salantsalany fa azo atao ny mikaroka solitany eto Madagasikara. Ny OMNIS dia manana angon-drakitra (sismiques, fandavahana taloha) manondro ny fisian’ny rafitra misy solika miasa. Fanadiovana ny sehatra Pétrole en amont: manaraka ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 05 février 2026, misy « blocs » 21 naverina amin’ny OMNIS, mba hatolotra indray amin’ny alalan’ny promotion ho an’ireo mpiara-miombon’antoka afaka mampiasa vola be.
TSY SAKANA NY FANJAKANA SAINGY…
Manazaava ny Fanjakana fa tsy sakana ary tsy mbola nanakana ny orinasa ao Tsimiroro hatramin’izay. Nalalaka izy ireo, izay nisafidy ny nampiato ny asany. « Zontsika malagasy tanteraka anefa no mampanaraka ny lalàna sy ny voasoratra ao anaty fifanarahana satria maika isika, fa tsy dia afaka miandry lava eto, fa hoe gas », hoy ny fanazavana. Ny fampiroboroboana dia natao hifindrana avy amin'ny "tomban'ny siansa" mankany amin'ny "zava-misy ara-barotra", araka ny fampiasam-bola sy ny teknôlojian'ireo mpampiasa vola. Tsy sakana velively amin'ny tetikasan'ilay kaompania ao Tsimiroro ny OMNIS, saingy araka ny fifanarahana (CPP), manan-jo hanohy ny asany ao amin'ny bloc 3104 Nord io orinasa io. Na izany aza, mametra-panontaniana ny Fanjakana momba ny fahafahany ara-bola sy ara-teknika. Taorian'ny 10 taona nampiatoany ny asany ny tsy fahampian'ny hoenti-manana, dia tsy ampy intsony ny fampanantenana: mitaky vokatra azo tsapain-tanana sy fampiasam-bola mivaingana ny sehatra ankehitriny mba hanomezana lanja ny harenantsika, ao anatin'ny fanajana ny fanekena voasoratra ao anatin'ny fifanarahana. Tsara ho fantatry ny malagasy mantsy fa efa niverina mangatsiaka tanteraka sy efa feno rano ny lavaka ao Tsimiroro, harafesenina avokoa ny fitaovana fitrandrahana, ary tapitra namidin’izy ireo ny solika tokony hanaovana fitrandrahana vaovao. Koa tsy mitovy amin’ny kaompania hafa vao hiditra ve izany, anefa ny vola sy teknika hampiasaina tsy hitovy ? hoy ny fanamarihana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»