airtel

Actualités

31-juil-2026

Mamy Ravatomanga

Ny 17-18 aogositra no

Sample post image

hamaritra ny fivoahany na tsia…

31-juil-2026

Nodinihin’ny Bail and Remand Court (BRC) any amin’ny Nosy Maorisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika misy antoka (libération sous caution) napetrak'i Mamy Ravatomanga. Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence » teo anatrehan’ny BRC ny tenany omaly alakamisy 30 Jolay 2026. Tsy nisy valiny teo noho eo anefa, fa nofaritana ho amin’ny 17 sy 18 Aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana handinihana ny fangatahany hahazo fahafahana vonjimaika misy anto-bola ho azy. Isan’ny heverina fa zava-baovao ny nanesorin’ny Financial Crimes Commission (FCC) ny fanoherana ny handraisana ilay fangatahana. Na izany aza, mbola manohitra ny vontoatin’ilay fangatahana hatrany io Vaomiera misahana ny heloka ara-bola io, ary tsy nanaiky ny famotsorana vonjimaika an’i Mamy Ravatomanga. Taorian’izay, nosintonin’ny mpisolovava an’i Mamy Ravatomanga ny taratasy fanoherana ny tsy fahazoany fahafahana vonjimaika sy ny fitazonana azy am-ponja, napetraka teo anivon’ny Judicial Committee of the Privy Council. Eo anatrehan’ny Bail and Remand Court araka izany no handinihana ny fanazavan’ny mpiaro azy sy ny FCC, mandritra ny fotoam-pitsarana amin’ny 17 sy 18 Aogositra 2026 ho avy izao. Mandrapahatongan'io fotoana, mihidy ao amin'ny fonjan'i Melrose hatrany aloha ity mpandraharaha malagasy ity. Tsiahivina fa notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka ny 30 Septambra 2025 tapa-bolana mahery taorian’ny fitsoahany avy teto Madagasikara niaraka tamin’ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, ary mbola eo am-piandrasana ny fizotry ny raharaham-pitsarana mahakasika azy. Raha eken'ny fitsarana any an-toerana ny fafahany vonjimaika, inona no mety hitranga?
Toky R
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap
31-juil-2026

tovolahy iray sakaizany…

Card image cap