airtel

Actualités

01-août-2022

Actualités

MANAKARA Mpianatra 5 vavy lasan’ny ranomasina

Sample post image

Tovovavy mpianatra miisa dimy no maty an-dranomasina omaly Alahady 31 Jolay raha nilomano ny ranomasimbe Indianina tokony ho 11 ora atoandro tany amin’ny distrikan’i Manakara.

01-août-2022

Raha araka ny fantatra dia miisa 7 izy ireo no niaraka. Niezaka ny namonjy sy nanavotra azy ireo ny fokonolona nandritra izany. Vokatry ny fikarohana nataon'ny Polisim-pirenena sy ireto farany dia hita soa amantsara ny nofo mangatsiakan’izy 5 mirahavavy. Ny 2 hafa kosa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara. Raha tsiahivina moa dia niala 15 km ny renivohitr’i Manakara vao hita ny razana. Mpianatra avy any Fianarantsoa izay nentin'ny "ONG SISE" izay mitaiza azy ireo izy ireo, raha tsiahivina. 86 mianadahy izy ireo no niaraka saika hanao fialan-tsasatra niaraka tamin’ny mpanabeny kinanjo izao niharan-doza izao. Tsy misy ahiana kosa ny ain’ireo 2 ambiny hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap