airtel

Actualités

18-janv-2024

Manakara_Vehivavy nanary zanaka

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly

Sample post image

Vehivavy iray vao 24 taona no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nanary

18-janv-2024

ny zanany vao efa-bolana monja tany amin’ny Fokontany Andrigna Manakara. Rehefa naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny mpiahy ara-tsosialy iray fa misy zaza menavava iray nisy nanary teny amoron-drano tao amin’ity tanana ity dia avy hatrany dia nidina teny an-toerana izy nijery ny zava-misy ary nitondra ilay zazavavy kely tany amin'ny mpitsabo no sady nampilaza ny polisy. Nanokatra fanadihadiana sy nanao ny fikarohana ireto farany ka fantatra nandritra izany fa ny Reniny ihany no nanary io zazavavy kely io. Rehefa natao famotorana moa io Renim-pianakaviana io dia niaiky izy fa tena nariany tokoa io zanany io. Noho ny ditrany no voalaza fa anton’izany. Efa nanana ny ditrany tany Sahasinaka mantsy io tovovavy io ary nandrahona ireo Ray aman-dReniny fa hoariny ilay zaza raha toa ka tsy omen’iretsy farany vola izy. Natolotra ny fampanoavana omaly Alarobia 17 janoary moa ilay renim-pianakaviana ary naiditra am-ponja vonjimaika. Efa noraisin’ny fianakaviany an-tanana tsara kosa zazavavy kely tsy manan-tsiny.
Pati
Legende : Ity ilay zaza nariana !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap