airtel

Actualités

26-févr-2024

Manam-pahaizana ambony navoakan’ny HEA

Tafatsangana ny birao vaovao, vonona hampandroso ny firenena

Sample post image

Tafatsangana ny Sabotsy 24 Febroary lasa teo ny birao vaovao hivondronan’ireo

26-févr-2024

andiany samihafa miisa enina nivoaka avy tao amin’ny sekoly ambony momba ny fitantanan-draharaha na ny HEA eo anivon’ny Ecole Nationale d’ Administration (ENAM). Andiany nivoaka nanomboka tamin’ny taona 2014 izy ireo izay efa mahatratra 800 isa ankehitriny, nofaranan’ny andiany fahaenina nivoaka tamin’ity taona 2024 ity. Nambaran-dRasoloson Hery, izay mitarika ny andiany voalohany nivoaka tao amin’ny DHEA ireo fa tena afaka mampandroso tsara ny firenena miaraka amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo raha ilaina izany. Olona efa saika voky traikefa avokoa mantsy ny mpianatra navoakan’ny ENAM hoy hatrany izy izay misy Ministra, dokotera, magistrat, directeur , jeneraly…. Nisy ny fihaonana notanterahin’izy 6 mianadahy ireo tamin’io andro io nananganany ny birao vaovao hiasa mandritra ny 4 taona ho avy, hamondronana ireo mpikambana no sady handrindrany ny paikady hahafahan’izy ireo manatratra ny tanjona hokendreny ihany koa. Lohalaharana amin’izany ny tokony hametrahan’ny Fitondram-panjakana azy ireo amin’ny toerany, indrindra eo amin’ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana manaraka ny fivoarana sy ny toetr’andro anaty fahamendrehana mba hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Nomarihin- dRasoloson Hery mantsy fa tsy politisianina ihany no ilaina eto amin’ny firenena fa ilaina ihany koa ny teknisiana toa azy ireo izay vonona hametraka ny fenitra avo lenta sy matihanina amin’ny fitantanan-draharaha ary hisokatra amin’ny fiaraha-miasa maro lafy. Tsiahivina moa fa nahazo fiofanana avo lenta momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fitantanana ara-bola, ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny mahakasika ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera izy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovao hivondronan’ireo manam-pahaizana nivoaka tao amin’ny HEA eo anivon’ny sekoly ambony ENAM !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap