airtel

Actualités

16-mars-2023

Actualités

Manambolo Tsiroanomandidy Tsy hita ny fianakavian’ilay tovolahy nisy namono

Sample post image

Tovolahy iray manodidina ny 27 taona no hita faty tany amin’ny kaominina ambanivohitra Manambolo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny fiandohan’ny herinandro teo.

16-mars-2023

Feno ratra ny tarehin’ity tovolahy ity. Karazan’ny notrobarana tamin’ny antsy ihany koa ny kibony, raha ny fahitana azy, antony nahatonga ireo rabe niparitaka tao an-damosiny. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina moa no nahitana ny razana raha vinavinan’ireo nanatri-maso ho mety ny alina talohan’izay kosa no namonoana azy. Raha araka ny vaovao azo moa dia tsy hita ny havan’ity tovolahy nisy namono ity. Tsy nisy nahalala rahateo izy hoy hatrany ny loharanom-baovao ka noraisin’ireo tompon’andraikitra ny andraikiny. Tsiahivina moa fa mihamahazo vahana ny vono olona eto amintsika ka tokony samy hitandrina ny rehetra indrindra fa ny fodiana alina loatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay tovolahy nisy namono
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap