airtel

Actualités

08-sept-2021

Actualités

Manamboninahitra vita fiofanana 69 nahavita ny safidy ny vondron-tafika hisy azy

Sample post image

Mpianatra manamboninahitra miisa 69 mianadahy avy ao amin'ny sekoly mampiofana miaramila (ACMIL) Antsirabe no nandray ny andraikiny amin'ny fomba ofisialy

08-sept-2021

 ao amin'ireo vondron-tafika izay nosafidiny avy omaly 07 septambra teny Ampahibe. Misy amin'izy ireo no nisafidy ny tafika an-tanety, ny tafika an’habakabaka, ny tafika an-dranomasina ary eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia ny satan'ny fahitsiana teo amin'ireo tomponandraikitra voalohany ny biraon'ny fiarovana miisa 225 manerana ny distrika. Anisan'ny voarakitra ao anatin'ity satan'ny fahitsiana ity ohatra ny ady amin'ny kolikoly. Tsy misy andoavam-bola ny fikarakarana taratasy rehetra eny anivon'ny birao fiarovana toy ny "position militaire". Asa iandraketan'ireo tomponandraikitra manerana ny distrika ireo raha tsiahivina ny fanomezana alalana amin'ny fitazomana fitaovam-piadiana, ny fitsarana Miaramila, ny fiandry (réserve), sy ny fanisana ny bekotro maro holatra, araka ny fanazavana sy fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap