omaly Alarobia 02 Oktobra atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Toeram-pitobian’entana ana mpambongady iray lehibe izay mpivarotra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no may kila hotohoton’ny afo tamin’izany. An-jatony tapitrisa Ar no teti-bidin’ny entana may, raha ny vaovao azo, tranom-barotra izay voalaza fa mivarotra solika any an-toerana ihany koa. Hatramin’izao mantsy dia mbola tsy misy tobim-pivarotan-tsolika ny ao Mananara Avaratra na dia tanana lehibe sy be mponina aza . Io tranom-barotra io no mivarotra izany amin’ireo fiara miasa any an-toerana ka amin’ny alalan’ny tavoahangy no hamarana ilay solika. Tombanana ho vokatry ny fandadizan’ny afo nahazo ireo solika amin’ny barika an’arivony litatra hamidin’ity tranom-barotra iray ity any an-toerana ireo no nitarika ny loza. Ny fokonolona araka izany no nifanome tanana namono ny afo ka tamin’ny alalan’ireo fasika mandon’ny ranon’orana no namonoana izany. Mbola tsy manana mpamonjy voina ihany koa mantsy ny ao Mananara Avaratra. Naharitra ora 05 teo ho eo vao voafehy ny afo vokatr’izany. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Miantso ny tompon’andraikitra mba hametraka sampana mpamonjy voina ao an-toerana ny mponina.
Pati
Legende : Tahaka izao ny firedaredan’ny afo tany an-toerana omaly !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa