airtel

Actualités

28-juil-2021

Actualités

Mananara Ville Nijanona tampoka ny fon’ilay mpanao Gym BACC

Sample post image

Mpiadina iray antsoina hoe : Willy, ao amin’ny sokajy D, hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea, mpianatry ny lisea ao Mananara ville no fantatra fa namoy ny ainy omaly

28-juil-2021

 teo am-panatanterahana ny adina ara-panatanjahantena. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nijanona tampoka ny fon’ity tovolahy kely ity noho ny antony tsy fantatra. Efa nanao izay azony natao avokoa ny rehetra nanoloana izany toy ny mpitsabo, fikarakarana izay efa nanomboka teny amin'ny kianja nanaovana ny adina hatrany amin'ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ain'i Willy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny tsy fahampian’ny fanazaran-tena amin’ny fotoana hanaovana ny adina ara-panatanjahantena tahaka ireny dia marobe ihany koa ireo karazan’aretina mety hipoitra, antony mety hiteraka ny famoizana ny ain-dehibe tahaka izao. Ity no tovolahy faharoa namoy ny ainy teo am-piatrehana ny “Gym Bacc” taorian’ilay tranga tany Moramanga ny 14 jolay lasa teo.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap