Maromaro mihitsy izy ireo ary miantso ny tompon-tanana mba haka ny vorona rehefa voatifitra. Anisan’izany i Nirina. Tovolahy kely manodidina ny 18 taona eo ho eo ity farany ary efa havanana amin’io fakana vorona voatifitra io indrindra fa ny eny amoron-drano. Nampalahelo anefa ny zava-nitranga omaly Alahady folakandro. Rehefa nandeha naka vorona voatifitra tao anaty rano mantsy ny tovolahy dia azony soa aman-tsara izany. Rehefa niverina hamonjy ny tanety kosa anefa izy dia nilentika ka tsy nisy azo nataony intsony. Namoy ny ainy ny anaolahy ary tsy mbola hita ny nofo mangatsiakany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina moa fa sady mamono no mamelona ny rano ka tokony samy hitandrina ny rehetra na dia mahay izany aza.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ireo olona nitangorona tonga nikaroka ny razana omaly hariva !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa