airtel

Actualités

18-févr-2022

Actualités

Mangarahara – Mandritsara Zaza 9 taona maty natelin’ny rano

Sample post image

Nisahotaka ireo mponina rehetra manodidina ny tetezana Mangaraha ao Mandritsara rehefa naheno fa mpianatra izay vao rava nianatra no nilomano tao amin’ny renirano io no tsy hita popoka.

18-févr-2022

Tovolahy 9 taona izay rava nianatra no niharam-boina fotoana izay firavan’ny mpianatra amin’ny 11 ora atoandro. Ora maro anefa no nikarohana azy ireo vatan-dehilahy miisa telo nijoboka nitady azy saingy tsy hita ilay tovolahy kely. Hatramin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Mandritsara aza dia samy nanao izay ho hafany amin’ny fitadiavana io tovolahy mpianatra natelin’ny renirano Mangaraha io. Hatramin’ny ray aman-drenin’ilay zaza aza tsy nahalala ny loza nihatra tamin’ny zanany. An-jatony ireo vahoaka no tonga teny amin’ny sisin’ny tetezana rano Mangaraha nitady ny razana saingy samy tsy mbola nisy nahita. Saika ahitana olona atelin’ity rano Mangaraha ity isan-taona ao an-toerana raha nambaran’ireo mponina indrindra rehefa fotoam-pavaratra. Tamin’ny telo ora tolakandro omaly alakamisy 17 febroary izao vo hita natsingevan’ny rano ny vata mangatsikan’ilay tovolahy kely 9 taona natelin’ny rano rehefa nisy fomba natao raha ny fanazavana azo.
Tolin
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap