no tadiaviana dokotera mpiasam-panjakana iray bodoina any amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, raha ny fitarainan’ireo mahatsapa ho lasibatra. Ny 1994 no nahazo taratasy fanamarinana ny maha azy ny trano ireo tompony, taorian’ny fahafatesan’ny rainy, izay niasa teo anivon’ny orinasa. Nambaran-dRandriamanantsoa Seta Isidore, isan’ireo tompontrano, zanaky ny maty fa fiangaviana no natao tamin’izy ireo, izay nataona Sefo fokontany niaraka tamina Sojabe maromaro, ny mba hipetrahan’ilay dokotera io tao amin’ny tranon’izy ireo, mandritra ny dimy taona, ary natao an-taratasy io fiangaviana ny hipetraka ao amin’ny trano io. Fiantrana ny fokonolona manodidina izay tsy misy toeram-pitsaboana no antony nanaovan’ireto fianakaviana ireto, ny asa fanampiana kanefa nivadika ho fibodoana tany, raha ny fanazavana. Efa nisy fiangaviana nataon’ity dokotera ity, ny amin’ny tokony hanampiana efitra hanaovana trano fiterahana, dia nanaiky ny tompon-trano. Ny zava-doza, nangataka indray ity dokotera ity, fa hoe aleo hatao hopitaly mihitsy ny tranon’izy ireo, izay nolavin’ny tompon-trano marindrano, satria efa fanesorana ankitsirano. Misy fotodrafitrasa CSB vitan’ny Fitondram-panjakana ho an’ny fokontany maromaro manodidina ao Tanambao, ao anatin’ny kaominina Ankijabe ihany, vao tsy ela akory izay. Ny manaitra amin’zao zava-mitranga izao, dia tsy mety mandeha mankany ity Mpitsabo ity, fa mbola midongy ao amin’ny tranon’ireo olona, izay niantra azy, raha ny tatitra hatrany. Ny zava-misy amin’izao fotoana, lasa nivadika ho sekoly indray aza, ny ampahany amin’io toeram-pitsaboana vitan’ny Fitondram-panjakana, noho ity dokotera ity tsy nety nifindra any. Zon’ireto fianakaviana feno ny mipetraka amin’ny tranon’ny Simpa ary tsy izy ireo ihany no mipetraka amin’ny trano tahaka izany any an-toerana, fa olona maro, raha ny fanamarihana. Tiana ny manamarika fa tsy misy manana olana ireo olona mipetraka amin’ny Simpa, ankoatra ireto fianakaviana nampiantrano mpitsabo, izay midongy ao amin’ny tranon’izy ireo tsy mety miala ankehitriny. Manao antso avo ny Tomponandraiki-panjakana, isan-tokony, indrindra, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ireto fianakaviana ireto, mba hijery akaiky izao ambaran’izy ireo fa fibodoana ataona mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny tranon’olona izao.
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.