airtel

Actualités

31-juil-2026

Mangotraka

ny raharaha ASIEF

Sample post image

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

31-juil-2026

Niteraka disadisa sy fifandirana ny fifidianana izay ho Filohan’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) natao 06 febroary 2026, ka nahatonga fitarainana nataon’ny solontena maro teo anivon’ireo andrim-panjakana sy ny Minisitera. « Tsy- nisy fampiantsoana fivoriambe, hamehana, kiantranoantrano, ny staff ihany no nasaina nifidy, tsy mazava ny komitim-pifidianana, tsy nisy zavatra nandeha amin’ny laoniny fa nentina nanomezana vahana kandia tokana. », raha ny fanazavana sy fanamafisana nataon’Atoa Hajaniaina Andriantsirahonana, mpikatroka ara-panatanjahantena eo anivon’ny mpiasam-panjakana. Vokany, nisy ny fampahafantarana na « notification » laharana 028/2026/MJS/SG/DGS/DSSD nataon’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ny 20 febroary 2026, ary narahina fanamafisana avy amin’ny Minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna mamaritra ny tsy maintsy hamerenana ny fifidianana. Nisy ihany koa ny fitarainana natao tany amin’ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika izay narahina taratasy avy amin’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika, izay samy milaza daholo fa tsy maintsy haverina ny fifidianana ny Filohan’ny ASIEF. « Marihinay fa tsy nanaraka ny sata mifehy ny Fikambanana fa nanomezana tombony kandida tokana tao amin'ny « Palais des Sports Mahamasina », ary mbola namafisin'ny teo anivon'ny PRRM tamin’ny alalan’ny tararatasy N°247-PRRM/SGP/SGAP/DBD-RTN/2026 ny 20 jolay 2026, taorian'ny fitarainana na « Doléances » izay nataonay ka nilazan'izy ireo fa tsy maintsy haverina ny fifidianana izay ho Filohan'ny ASIEF koa: maneho fisaorana ny Fitondrampanjakana tamin'izany Fanapahan-kevitra izany », hoy ny fanambaran’ireo solontena omaly. Mitaky ihany koa anefa izy ireo mba ny Minisitera roa mpiahy (MJS/MIN FOP) no hitantana vonjimaika (affaire courante) ny ASIEF mandrapahatonga ny Fifidianana, ary izy ireo ihany koa no hanomana sy hanangana « Comité électoral » hikarakara ny fifidianana madio, ka izay Filoha ho lany eo dia eken'ny rehetra. Nankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana noho izany ireo solontena vitsivitsy avy amin’ny andrim-panjakana sy Minisitera misehatra amin’ny fanatanjahantena. Mikasika ny hoe efa tapaka ny fotoanan’ny ASIEF izay ny 17-29 aogositra any Manakara izay mpandray anjara 13000 hatramin’ny 15 000 no andrasa, dia tsy ny Manakara no olana fa ny fitantanana araka ny tokony ho izy, hoy Atoa Hajaniaina Andriantsirahonana, mpisehatra amin’ny fanatanjahantena eo anivon’ny mpiasam-panjakana. Namafisiny fa ny zava-dehibe dia mandeha ny fifidianana, ao anatin’ny fangaraharahana, ka izay lany eo dia ankasitrahana. Nanipika fa manaja ny minisitera mpiahy izy ireo, ka manantena fa tsy hitazam-potsiny ny lesoka ireo rafitra ireo. Nanipika moa ireo solontena, fa mihaona tsy tapaka amin’ny Minisitera mpiahy, ary misy foana ny fifanakalozan-kevitra hahafahana miroso amin’ny fifidianana milamina sy mangaraharaha. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap
31-juil-2026

tovolahy iray sakaizany…

Card image cap