faran’ny volana aogositra 2025, araka ny fampahafantarana ofisialy. Nandray fanapahan-kevitra hanakatona birao sivy maneran-tany ny Foiben’ny FES any Berlin, ka anisan'izany ny eto Madagasikara. Antony ny fahasahiranana ara-bola mianjady amin’ny Fondation, izay vokatry ny fihenan’ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana alemà. Na izany aza, hitohy hatramin’ny volana jona 2025 ny fandaharan’asany eto Madagasikara mba hanomezana fotoana amin’ny famindrana ny tetikasa amin’ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka. Ny FES dia fikambanana alemà natsangan’ny Antoko Sosialy-Demokraty Alemà (SPD) tamin’ny 1925, ho fanomezam-boninahitra an’i Friedrich Ebert, filoha voalohan’i Alemaina voafidy tamin’ny fomba demokratika. Nanomboka ny 1964 no nisokatra ny FES teto Madagasikara. Tanjony ny: Fanohanana ny demokrasia sy ny zon’olombelona amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-politika sy tetikasa manohana ny fiarahamonina; Fampiroboroboana ny rariny ara-tsosialy amin’ny alalan’ny politika sosialy sy toekarena mirindra ho an’ny saranga marefo ; Fanamafisana ny fifandraisana iraisam-pirenena amin’ny fifanakalozana ara-politika sy ara-toekarena eo amin’i Alemaina sy ireo firenena hafa ; Fampianarana sy fanabeazana, amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra sy mpikaroka amin’ny lalam-piofanana ara-politika sy ara-tsosialy ; Fikarohana sy famoahana tatitra, amin’ny lafiny politika, toekarena, ary fiaraha-monina, ho fampiasan’ny mpitondra sy ny vondrom-piarahamonina. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ara-politika sy ara-tsosialy eto Madagasikara ny FES, saingy atoa isika tafiditra ao anatin’ny firenena anakatonana masoivovo dia azo hamaivanina amin’ny fijerin’ny FES, izay mety hisy ifandraisany amin’ny tsy finiavana hampihatra demokrasia araka ny tokony ho izy, kolikoly, tsy fahampian’ny finiavana hampandroso ny politika mirindra,… Ahiana hiitatra any amin’ny GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit), sampan-draharaha alemanina misahana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana, toy ny fanabeazana, angovo, tontolo iainana, ary fiahiana ara-tsosialy, fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka,... Eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena, manomboka mitondra tsio-drivotra eo amin’ny politikan’ny Firenen-dehibe ny politikan’ny Fanjakana Amerikanina toy ny fialana amin’ny OMS, fanafoanana ny USAID, ka mihena tsikelikely ny famatsiam-bola sy ny tetikasan’ny firenena mandroso ho an’ny tany mahantra. Na ny Frantsay aza dia ahiana hampihena ny famatsiam-bolan’ny AFD (Agence Française de Développement) aty Afrika. Noho izany, tsy ho tafavoaka intsony politika ara-toekarena miankin-doha sy mitavandra tohana sy fanam-piana. Zava-dehibe ny fitodihana amin’ny politika ara-toekarena sy ara-pampandrosoana mahaleotena, araka ilay tenin’i Donald Trump hoe : eo am-pelantanan’ny Firenena mahaleotena ny fandrosoana fa tsy eo an-tanan’ny mpanao fanatontoloana.
Toky R
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na