Olona sendra nandalo no nahita ilay akanjo mainty natsingevan’ny rano ka nihazakazaka nijery ny zava-misy. Raha araka ny loharanom-baovao moa dia tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany amin’ity vehivavy ity. Raha ny hevitry ny olona mahakasika ity tranga ity moa dia tao ireo nilaza fa mety avy niasa ary tratra hariva ity vehivavy ity ka nisy nanolana ary avy eo novonoiny ka natsipiny tao anaty rano ny vatana mangatsiakany. Tao koa ireo nilaza fa mety niaraka tamin’ny naman-dratsy teny amin’iny faritra iny izy ka nivadihan’ireto farany. Na izany aza anefa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no afaka hanamarina izany.
Marihina moa fa efa tena miharatsy ny fandriampahalemana eto amintsika. Tokony hofadiana hatrany araka izany ny mody hariva indrindra fa raha mandeha irery. Tokony ho mailo ihany koa amin’ireo karazana namana hiarahana hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fampiakarana ny vatana mangatsiakan-dRatompokovavy
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa