airtel

Actualités

21-juil-2022

Actualités

Maripana ato anatin’ny 3 andro Mety ho tafidina hatrany amin’ny 0°C

Sample post image

Tombanana hilatsaka ambany dia ambany ny maripana manomboka anio alakamisy hatramin’ny sabotsy 23 jolay izao, raha ny tombatomban’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro.

21-juil-2022

Mety ho tafidina hatrany amin’ny 0°C, ary mety ho ambanin’izany, tahaka ny any Faratsiho, Antanifotsy,… izay isan’ny mangatsiaka indrindra eto Madagasikara. 5 hatramin’ny 8°C mitaha amin’ny mahazatra kosa ny mety ho fidinany any amin’ny faritra hafa. Ny maraina anefa no tena hahatsapana ny hatsiaka, ka tokony hitandrina ny rehetra, indrindra ireo manana olana ara-pahasalamana tahaka ireo manana areti-mitaiza. Hiverina ho maina amin’ny ankampobeny ny atoandro, ka eo amin’ny 20°C eo ny maripana ambony. Ny 06 jolay no nidina hatrany amin’ny 1°C, izay nisian’ny endrika ranomandry tany amin’ny faritr’I Fratsiho. Tamin’ny 2013 no nisy hatsiaka ambany be satria nidina hatrany amin’ny -2°C.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Mifarana ny taom-piasana 5 taona tsy azo havaozina ho an’Atoa Laza AndrianirinaTale Jeneralin’ny Bianco (Bureau indépendant anti-corruption)

Card image cap
07-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap
07-mai-2024

Karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara telo karazana be izao no fantatra

Card image cap
07-mai-2024

Moa tsy tahaka ireny migalabona fandrosoana sy fiadanana any amin’ireo firenena « Nordique »

Card image cap
07-mai-2024

Tafatsangana ary nivory voalohany omaly 6 may ny komity hanatanteraka ny famolavolana

Card image cap
06-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap