airtel

Actualités

07-mai-2024

Actualités

Ny Tale no miovaova fa ny kolikoly tsy mety resy !

Sample post image

Mifarana ny taom-piasana 5 taona tsy azo havaozina ho an’Atoa Laza AndrianirinaTale Jeneralin’ny Bianco (Bureau indépendant anti-corruption)

07-mai-2024

na ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly. Efa nivoaka noho izany ny antso tolotr’asa ho an’ireo izay maniry ny hitazona izany andraikitra izany, ka ny CSI (Comité pour la sauvegarde de l’intégrité) no miantsoroka izany, mandray an-tànana ny sivana hisafidianana izay ho Tale Jeneraly vaovao. Ny Filohan’ny Repoblika no hanendry amin’ny alalan’ny didim-panjakana aorian’ny fivoahan’ny anarana miisa 3 hisafidianana mivoaka avy eo anivon’ny « comité ad hoc » arafitry ny CSI. Anisan’ny fepetra takiana ny fananana traikefa farafahakeliny 15 taona amin’ny tontolon’ny asa mifanatsahana amin’io, ka 7 taona farafahakeliny tamina toerana Tale. Tsy maintsy olona afaka manohitra ny tsindry amin’ny endriny rehetra ary manana diplaoma « troisième cycle ». Ny 15 jona ho avy izao farafahatarany no fandraisan’ny CSI ny antontan-taratasin’ireo kandida. Raha hiverenana, tany amin’ny taona 2004 nitondran’i Marc Ravalomanana no namoronana ny Bianco, ka tanjona ny ady amin’ny kolikoly, Fanjakana tsara tantana,… Tany amin’ny taona 2008 isika no isan’ny tsara toerana indrindra teo amin’ny filaharana maneran-tany momba ny ady amin’ny kolikoly satria tany amin’ny laharana faha-80. Ankehitriny kosa, ny taona 2023 dia laharana faha-145 amin’ny 180, tsy manana isa afatsy 25/100, araka ny fanasokajian’ny Transparency International. Vao tsy ela no nosokajian’ny World Justice Project fa anisan’ireo firenena 10 voalohany ahitana kolikoly be indrindra satria eo amin’ny laharana faha-134 amin’ny firenena 142, ary tsy nahazo isa afatsy 0,27. Rafitra eo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Bianco izay mety ho antony iray hahafaha-miady hevitra momba ny fahaleovantenany. Feno ireo rafitra 5 mandrafitra ny « système anti-corruption » dia ny PAC fitsarana momba ny kolikoly, ny SAMIFIN miantsoroka ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny ady amin’ny famatsiana ara-bola ny asa fampihorohoroana, ny ARAI miantsoroka ny fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny, ny CSI na ny Komity miaro ny fahintsiana, ary ny Bianco izay birao misahana ny ady amin’ny kolikoly. Tsy finiavana hitsikera fa arakaraka ny fahafenoan’ireo rafitra no toa vao mainka mampirongatra ny kolikoly. Tsy feno ve ny fepetra hahafaha-mampihena sy mandresy izany ? Isan’ny mety ho lesoka ny tsy fahampian’ny fahefan’ireo rafitra. Ampahany amin’izany ny nilazan’ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa fa mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly ka noho ny tsy fahafaha-manenjika ireo mpikamban’ny governemanta sy Filohana andrim-panjakana manana dosie maloto raha tsy mahazo tsodrano avy amin’ny antenimierampirenena. Nisy ny seho ivelany nataon’ny Filoham-pirenena sy ny governemanta tamin’ny fanendrena farany teo fa tsy hanao kolikoly, saingy ny tatitry ny PAC farany teo, dia ny fahefana mpanatanteraka sy fahefana mpanao lalàna no lohalaharana amin’ny kolikoly eto, 35,7 miliara Ar ny vola avy amin’ny resaka kolikoly nandalo tamin’ny PAC 2023. Ny Tale Jeneralin’ny Bianco no miova isaky ny 5 taona fa ny kolikoly toa vao mainka miha mahazo vahana!?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap