tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Maro no efa leo any anaty rafi-panjakana Misy mamoaka indray ny dosie « saropady »

Manomboka miparitaka ny dosie tsiambaratelo na « confidentiel » mikasika ny olona ambony sy manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy mivoaka fahatany anefa ireny fa ao raha, manomboka maro ny tofoka sy tezitra amin’ny tsindry samihafa,

16-nov-2022

Sample post image

tsy te hinia hikipy intsony eo anatrehan’ny afera maloto sy fanjakazakana. Tao anatin’ny andro vitsy, niparitaka ny dosie mikasika ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny orinasany mombana ahiahy famotsiam-bola mifandrohy amin’ny fanafarana t-shirts nampiasain’ny kandida Filoham-pirenena tamin’izany Atoa Camille Vital, ka nandefasan’ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN tamin’ny fotoan’androny tatitra tamin’ny tonia mpampanoa lalàna ambony teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) araka ny taratatasy mitondra ny laharana 001/SAMIFIN/DG/14 ny 12 martsa 2014. Tsy tongatonga ho azy ny fivoahan’ny dosie efa nipirina tahaka ireny aty amin’ny taona 2022 fa ao raha. Isan’ny tratry ny kiana maro momba ny fifampidirana ara-bola teo amin’ny CNaPS sy Kaominina ihany koa ny tenany,... Efa nisy ihany koa tany aloha ny ampamoaka nataon’Atoa Ravo Nambinina izay mpikirakira ny resaka tsenambaro-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Nambarany ny 18 aprily 2021 fa 730 tapitrisa no lany nandokoana hopitaly manarapenitra miisa 7; vola 980 tapitrisa Ar no nanaganana "centre de transplantation rénale" ao amin'ny CHU Andohatapenaka ka dosie piraty no nampiasana; volan'ny ministeran'ny fahasalamana mitetina 44 miliara Ariary no nalaina ary tsy naverina manontolo ny taona 2020,… Nanao sorona ny tenany izy satria heverina fa tofoka sy leo tamin’ny tsy fanjariana, tsy te hinia mikipy, ary ireny niaraha-nahita ireny, fa nohenjehina sy nohelohin’ny Fanjakana. Tato aoriana, niporitsaka ihany koa ny raharaha voamboanan’ny depiote Lanto Rakotomanga izay nipariahan’ny taratasy miendrika fisandohan’andraikitra manome alalana ny fiarany hitatitra hazo amin’ny fotoana tsy voafetra. Mpitandro ny filaminana no voalaza fa niaingan’ny fipoahan’ny raharaha satria leo tsindritsindry sy ramatahora. Na mbola tsara aro aza ity depiote ity, mba mahavelom-bolo kely satria hazo voamboana mahatratra 96 sy hazo tsotra 120 avy tany amin’ny Faritr’i Didy indray no tratra vao andro vitsy. Ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, betsaka no efa tofoka sy leo eo anatrehan’ny fanararaotam-pahefana, ny trafika amin’ny endriny samihafa,… kanefa tsy maintsy minia mikipy. Ampahany ireny fa betsaka ny sehatra ahatarafana an’io, tahaka ny fahitana trafika samihafa sy ny fanararaotan’ny manam-pahefana eny amin’ny seranam-piaramanidina, izay maro ny mpiasa voatery minia mikipy satria mena ambanin’ny mena, saingy ahazoana vaovao samihafa.
MARO NY TOFOKA ANY ANATY RAFI-PANJAKANA
Matoa manomboka mivoaka ny tsiambaratelo maro momba ny afera hafahafa, dia midika fa efa maro no tofoka sy leo na “frustré” na tsy maneho izany mivantana aza. Leo fambotriana firenena sy fangoronan-karena mihoampampana satria mba maro ihany ny tia tanindrazana eto. Efa betsaka ny tonga saina any anaty rafi-panjakana samihafa any. Hatreto aloha mbola eo am-pelantanana ny fahefana, afaka mirehareha, afaka manao tsindry, vao mainka mitombo ny afera, saingy mety ho henjana ny vokatr’io amin’ny andro iray. Betsaka mantsy ny mieritreritra fa manangona be, mangorona be, mandray fiaramanidina raha sanatria misy ny atambo dia mihinana ny azo any ivelany. Sao mba ho diso kajy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus