airtel

Actualités

04-août-2021

Actualités

Masindrano -Mananjary

Sample post image

Trano an-jatony no ravan’ny afoTrano an-jatony no ravaravan’ny afo nanomboka omaly tamin’ny 4 ora sy 15 minitra tany amin’ny faritra Masindrano Mananjary.

04-août-2021

Raha tsiahivina kely dia tanàna akaikin’ny tora-pasika i Masindrano ka mahery ny rivotra. Manampy trotraka ny hafanana be any an-toerana izay fantatra fa tena nahazo vahana tokoa. Anisan’ny antony nampihitatra ny afo izany raha mbola tsy fantatra kosa izay tena niandohany.An’arivony ireo tsy manan-kialofana vokatr’izany ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Anio kosa vao ho fantatra ny antsipirihan’ny faharavana. Tsiahivina moa fa naharitra ora maro vao maty ny afo. Niezaka nanampy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina nandritra izany ny fokonolona.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap