Mpampianatra ao amin' ny EPP Tsinjoarivo, kaominina ambanivohitra Masindray, distrikan’i Soavinandriana ity Raim-pianakaviana nahavanon-doza ity. Tao amin'ny Fokontany Antsahalavabe kosa no nitrangan’ny tantara raha vao 14 taona monja ilay zanany vavy. Nohamarinin-dReniny nandritra ny famotorona fa nisy tokoa ny fanolanana ity zazavavy kely ity ary nahitana pilina fanabeazana aizana tao anatin’ny kahie. Rehefa nanontaniana ilay voaolana dia nilaza fa tamin' ny volana martsa izy no naolan-dRainy ka rehefa tsy nandeha ny fadimbolany taorian' izay dia nividianan' Atoa Donald ireo pilina ireo izy ary nasain' ity farany nohaniny izany. Fantatra ihany koa fa nandritry ny fotoana tsy nahatao an-trano ny reniny sy ny zandriny no nanaovan'ity rangahy ity ny filan-dratsiny tamin'ny zanany ary norahonany ilay zaza mba tsy hiteny izany na amin'iza na amin'iza.Nametraka fitoriana moa ny renin'ilay zaza raha nanjavona kosa ilay Rangahy efa ho tapa-bolana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Karohina fatratra ity Raim-pianakaviana nahavanon-doza ity amin’izao
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa