airtel

Actualités

03-févr-2025

Masoivohon’i Chine

Nitsidika an’i Vakinankaratra

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fandraisana ny masoivohon'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine

03-févr-2025

eto Madagasikara tao an-drenivohitr'i Vakinankaratra, teo ambany fitarihan'ny governora ao an-toerana, hoy ny fampitam-baovao. Fitsidihana ara-pirahalahiana izay tafiditra indrindra tao anatin'ny fankalazàna ny taom-baovao sinoa ary niarahana nifaly sy nikoràna tamin'ny fianakaviam-ben'ny sinoa monina ao Antsirabe izany, hoy ny fanazavàna. Nisy ihany koa ny fitsidihan'ny Ambasadaoro, Ji Ping, ireo toerana isian'ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka eo amin'ny fitondram-panjakana malagasy sy fitondram-panjakàna sinoa ny lalam-pirenena faha 7 na RN 7, izay iandraiketan'ny orinasa sinoa sy ny «Station thermale» ao Andranomafana. Ankoatra ireo dia tsy diso anjara ihany koa ny faritra Vakinankaratra amin'ny tetikasan'ny fitondram-panjakana malagasy mikasika ny fanapariahana ny voly vary safiotra izay iarahana amin-dry zareo sinoa hatrany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap