airtel

Actualités

03-févr-2025

Masoivohon’i Chine

Nitsidika an’i Vakinankaratra

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fandraisana ny masoivohon'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine

03-févr-2025

eto Madagasikara tao an-drenivohitr'i Vakinankaratra, teo ambany fitarihan'ny governora ao an-toerana, hoy ny fampitam-baovao. Fitsidihana ara-pirahalahiana izay tafiditra indrindra tao anatin'ny fankalazàna ny taom-baovao sinoa ary niarahana nifaly sy nikoràna tamin'ny fianakaviam-ben'ny sinoa monina ao Antsirabe izany, hoy ny fanazavàna. Nisy ihany koa ny fitsidihan'ny Ambasadaoro, Ji Ping, ireo toerana isian'ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka eo amin'ny fitondram-panjakana malagasy sy fitondram-panjakàna sinoa ny lalam-pirenena faha 7 na RN 7, izay iandraiketan'ny orinasa sinoa sy ny «Station thermale» ao Andranomafana. Ankoatra ireo dia tsy diso anjara ihany koa ny faritra Vakinankaratra amin'ny tetikasan'ny fitondram-panjakana malagasy mikasika ny fanapariahana ny voly vary safiotra izay iarahana amin-dry zareo sinoa hatrany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap