airtel

Actualités

14-août-2023

Actualités

MATSIATRA AMBONY Mbola midadasika ny tany azo ambolena

Sample post image

Faritra iray ao anatin’ny Faritanin’I Fianarantsoa I Matsiatra Ambony, ka ao Fianarantsoa no renivohitra, izay antsoin’ny maro amin’ny hoe: “Renivohitr’I Betsileo”.

14-août-2023

Anisan’ireo faritra atsimo amin’ny afovoan-tany eto Madagasikara i Matsiatra ambony. Manana velarana 21 080 km2, mitsinjara ho distrika miisa 7, kaominina 28, Fokontany 796, ka mahatratra 1 447 000 ireo mponina raha ny antontan’isa tamin’ny 2018. Ara-toetr’andro, mafana sy be rotsak’orana izy rehefa fahavaratra ary mety mahatratra hatrany amin’ny 30°C ny maripana, fa mety ho tafidina hatrany amin’ny 6°C kosa amin’ny ririnina.
FOTODRAFITRASA
Ara-potodrafitrasa, manana hopitaly lehibe miisa 4, tobim-pitsaboana sokajy faharoa 46, sekoly fanabeazana fototra 1002, Lisem-panjakana 17, Oniversitem-panjakana 1,… raha ny antontan’isa tany amin’ny taona 2009. Momba ny làlana, 54,41% no azon’ny fiara madinika aleha, ary 45,49% kosa dia ny fiara tsy mataho-dàlana ihany no afaka mandeha aminy, raha ny antontan’isa tamin’ny 2009. Lalovan’ny RN7, RN25, RN42, RN45 I Matsiatra Ambony. Ny 20,7% an’ny mponina no misitraka herinaratra, raha toa ka 6,1% kosa no misitraka rano fisotro madio avy amin’ny Jirama.
FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Eo amin’ny 503 905 ha ny tany azo volena, ka 111 071 ha amin’ireo ihany no tena voajary amin’izao, ahitana voly vary, mangahazo, vomanga, katsaka, Kafe arabika, paraky, voanjo, legioma. Isan’ny fariitra tena miompy ihany koa I Matsiatra ambony, toy ny omby, kisoa, osy, akoho amam-borona. Tena mbola misy velaran-tany midadasika be [392 634 ha] arak’izany azo hamokarana ao Matsiatra Ambony, ny nofon-tany rahateo dia anisan’ny tsarasy mamokatra eto Madagasikara.
HARENA SY TANJAKA ARA-TOEKARENA
Isan’ireo toerana ahitana harena an-kibon’ny tany samihafa I Matsiatra ambony ka misy ireo vato indostrialy toy Vohibory, Graphite, granite, migmatites, systeme Androyen. Ahitana vato sarobidy toy ny volamena, beryl, Chrorion Corindon, tourmaline,… Ara-pizahantany, ao anatin’ity faritra ity no misy ny Andringitra National Park, Ranomafana National Park, ny tahiry ara-boajanahary Anja, ny toerana manintona olona maro any Isandra, Maro ireo orinasa nampiavaka an’I Matsiatra Ambony izay misy ny mbola mandeha ary ao ny efa nikatona, ka isan’ny misongadina ireo fanaovana zava-pisotro, toy ny Soavita, Coteau d’Ambalavao, Lazan’I Betsileo, Société Mac&Frères,…
POLITIKA SY FIFIDIANANA
Ara-politika kosa, manana mpifidy miisa 595 466, raha ny antontan’isa farany tao anatin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana narafitra ofisialy ny 20 jolay 2023 teo. Raha ho an’ny fifidianana farany tamin’ny 2018, ny 47,3% tamin’ny mpifidy no tsy tonga nandrotsa-bato, raha toa ka 5% no nanao vato fotsy, saingy heverina fa hiakatra ambony io amin’ny fifidianana manaraka eo satria na ny isan’ny mpifidy tao anatin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana aza, dia niampy 33 474 mitaha amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana nifarana tamin’ny volana desambra.
MATSIATRA AMBONY AN-TAREHIMARIKA
Faritra : Matsiatra Ambony
Velarana : 21 080 km2
Mponina :1 447 000
Isan’ny mpifidy : 595 466
Distrika : 7
Kaominina :28
Fokontany :796
Tany azo volena : 503 905

Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap