filoha mpanorina ny antoko politika CCDM no sady mpitarika ny fiangonana Jodaisma Hebraika etsy Ambanilalana Itaosy. Ny delestazy aza tsy voavahany hoy izy nefa tena hiankinan’ny fiainam-bahoaka iray manontolo mihitsy. Mamono olona ny jiro tapaka hoy hatrany Kohen Rivolala na ho an’ireo marary mafy eo am-pandidianana izany na ireo mila oxygene. Toraka izany koa ireo zaza ao anaty couveuse hoy izy, ankoatra ireo karazana asa fihariana maro samihafa izay tsy lazaina intsony. Ny mahavariana anefa hoy hatrany Kohen dia ny lalana vitan-dRavalomanana no henjehiny fatratra fa tsy ny hanafoanana ny delestazy no hataony. Ny tokonana aza tsy afaky ny fanjakana nefa ny vovonana no tadiaviny hanihina….Tao anatin’ny hasosorana mafy no nanambaran’i Kohen Rivolala izany. Hatreto mantsy raha araka ny fanazavany dia émetteur-na radiony miisa 4 no efa mafy vokatry ny delestazy lavareny. Anisan’izany ny teto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa…. izay mitentim-bidy amina miliara. Marihina moa fa mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny fiangonana Jodaisma Hebraika tarihiny amin’izao. Fotoam-pivavahana lehibe narahina fiaraha-misakafo namonoana omby matavy mazava loha no nentina nanamarihana izany afak’omaly Talata tontolo andro teny Ambanilalana Itaosy. Nomarihin’i Kohen manokana moa fa hiroborobo ny fivavahana tarihiny amin’ity taona 2023 ary hanavotra olona maro.
Pati
Legende : Ny fampiantoana ny delestazy aza tsy vitan’ny fanjakana hoy Kohen ka inona no azo antenaina aminy
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny