airtel

Actualités

28-nov-2022

Actualités

Mbitanarivo Andriantsihorisoa “Mety efa manomboka mameno kapoaka ny vahoaka”

Sample post image

Manjaka tena manjaka tafahoatra ny tsy fandriampahalemana, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara malagasy na SMM, Mbitanarivo Andriantsihorisoa.

28-nov-2022

Tsy ho ana tanàna vitsivitsy ihany fa na aiza na aiza alehanao ankehitriny dia tsy misy tsy mikolay sy mikaikaika ny mponina rehefa mba hifampiresahana, hoy izy. Ny tenin'ny olona mba hifampiresahan'ny tena no mba hampitaina hoe fa maninona, hoy izy ireo, no variana mameno tanàna ao Iarivo ao daholo ireo mpitandro ny filaminana fa tsy mba zarazaraina aty ambanivolo rehetra aty? Ny resaka mpitandro filaminana eo ihany fa ny fiarahamonina malagasy mihitsy no tsapa ho nilaozan'ilay atao hoe fihavanana. Tsy misy intsony izany trano atsimo sy avaratra izany, izany tànan-kavia sy havanana izany. Samy mandeha samy mitady izao no misy eto. Ny mponina ambanivohitra no tena mijaly nefa amin'izany satria dia mandry andriran'antsy isan’andro vaky izao. Ny adilahy politika etsy an-kilany tsy mitsaha-mivoatra gaigy. Mety efa manomboka mameno kapoaka ny vahoaka ary ny hatahorana dia ny fitraorana tampoka amin'ny fotoana tsy am-poizina. Ny olana misy sahala an'izany tokony tsy maintsy hahitam-bahaolana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap