airtel

Actualités

13-févr-2024

Mena-bato lafo vidy sy maha mpanan-karena

Efa nahazo 20 tapitrisa Ar tao Toamasina ireo mpisoloky

Sample post image

Tratry ny velam-pandriky ny zandary ny olona telo malaza

13-févr-2024

mpisoloky ao Toamasina ao mampiresaka sy manambaka ireo olona te hanan-karena tampoka. Milaza fa manana mena-bato lafo vidy tsara kalitao izy ireo izay alaina avy any ambanivohitra lavitra. Misandoka ho zandary ny iray ary misy tera-tany vahiny miara-miasa aminy hoy hatrany izy telo ireo. Milaza ho efa nanan-karena avy tamin'io mena-bato io izy ireo. Mpandraharaha iray no efa nazahoan’izy ireo vola mitentina 20.000.000 Ar,ary efa saika handeha hisoloky mpandraharaha iray hafa izy ireo no izao tratran'ny zandary izao. Rehefa niantso ilay mpandraharaha iray saika hosolokiany indray izy ireo dia niantso ny zandary avy hatrany ilay mpandraharaha ny 08 Febroary . Natao ny vela-pandrika ka tra-tehaka izy telo ireo ny 11 Febroary teo. Asidra vidin'ireo olon-dratsy ireo ao Bazary kely moa ilay lazainy fa mena-bato sarobidy hanambakany olona io.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap