tsapain-tanana eto amin’ny firenena. Na tiana na tsy tiana, sarotra ny mandray sy mitantana Firenena vao avy nandalo krizy politika goavana izany, ka tsy ao anatin’ny herintaona no hisiana fahagagana. Henjana ny mifehy ny toekarena ho marin-toerana, indrindra ny fampiakarana izany. Mety tsy ho tsapan’ny rehetra ohatra ny nilazan’ny Praiminisitra fa raha 3,8% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena novolavolaina, dia mba 4,1% amin’izao. Tsy misy fiantraikany any am-bolany, hoy ny maro, saingy henjana izany eo anatrehan’ny toe-draharaha iainan’ny Firenena. Misy ireo asa vita, teo ireo fanapahan-kevitra lehibe toy ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny tetikasa hanamorana ny fahafahan’ny tanora mindram-bola, ny famahana sy fifehezana ireo olana goavana toy ny angovo,… izay hanehoana, fa tsy tokony hojerena amin’ny mason’ny fanakianana fotsiny, fa amin’ny fahamarinana sy ny zava-misy. Na izany, mila ahena ny elanelana lehibe eo amin’ny zavatra heverina fa goavana sy ny zavatra iainan’ny vahoaka isan’andro. Na eo aza ireo zava-bita ireo, mbola maro ny Malagasy miady amin’ny fahantrana, ny tsy fahampian’ny asa, fitotongan’ny fari-piainana. Mety ho lasa endrika, fa tsy tafiditra tanteraka any an-tokantranon’ny olom-pirenena ny tombontsoa avy amin’ireo ezaka haseho ho fahombiazana. Tsy ampy intsony ny manisa tetikasa vita. Tsy ampy ny manokatra trano sy mametaka takelaka fahatsiarovana. Ny fanontaniana apetraky ny vahoaka dia tsotra: nihatsara ve ny fiainany? Nihena ve ny fahasahiranana? Nihamora ve ny fitadiavana sakafo sy ny famelomana ankohonana? Raha mbola sarotra ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy ekena fa mbola lavitra ny lalana. Na izany na tsy izany, tsy misy fahagagana anatin’ny herintaona saingy tsy midika fa tsy maintsy miandry am-polo taonany maro vao afaka hahazo anjara masoandro. Manana adidy iraisana ny rehetra, mila misiki-ponitra fa tsy manantena mana avy any an-danitra. Mila fiovana goavana amin’ny lafiny rehetra ka hametraka ho laharam-pahamehana ny soa iombonana.
Toky R
Ny lesoka lehibe indrindra angamba dia ny fahazarana mifaly loatra amin’izay vita nefa tsy sahy mijery izay mbola tsy mety. Rehefa misy tsikera dia raisina ho fanafihana, rehefa misy fitarainana dia heverina ho fanoherana. Kanefa ny fanakianana no tokony ho fitaovana hanitsiana ny tsy mety fa tsy zavatra hatahorana. Tsy misy fitondrana lavorary, ary tsy misy vahoaka hangina mandrakizay manoloana ny olana mianjady aminy.
Raha tena tiana ny handrefesana ny fahombiazana, dia tsy any amin’ny tatitra na ny tambajotra sosialy no hijerena azy. Any an-tsena, any amin’ny fokontany, any amin’ireo tokantrano mbola sahirana isan’andro no tena ahitana ny marina. Ary raha mbola betsaka ny Malagasy miady mafy mba ho tafavoaka velona isam-bolana, dia tsy tokony ho afa-po amin’ny ampahany amin’ny fahombiazana ny mpitondra. Satria ny tena fahombiazana dia tsy rehefa misy asa vita, fa rehefa tsapan’ny vahoaka fa tena miova ho tsara ny fiainany.