airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Mihetsika ireo mpiaro an’i Rolly Mercia Ho afa-bela ato ho ato sa vao miha hilentika ?

Sample post image

Navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence tamin’ny fiandohan’ity herinandro fa manomana

19-avril-2023

valindy ara-piarovan-tena miaraka amin’ny mpisolovava azy dia ilay teratany Frantsay William Bourdon ny Minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Ity farany, izay nidoboka am-ponja nanomboka ny 13 jolay 2020, ka fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena no vesatra, izay nahazoany sazy 44 volana sazy mihatra. Nitory azy ho nijoro vavolombelona tsy marina momba ny raharaham-pitsarana any Frantsa tany amin’ny PNF ihany koa ny mpandraharaha matanjaka Mamy Ravatomanga. Voalaza fa tokony hivoaka ny fonja ny janoary teo I Rolly Mercia, saingy nohalavaina ny fitazonana. Niampy 30 volana sazy mihatra miampy onitra 2 tapitrisa Ar avy eo ny mahakasika ilay raharaha PNF tany la frantsa izay nolazaina fa nanaovany "faux témoignage" na fijoroana vavolombelona mandainga sy "dénonciation abusive" na fanambarana tsy misy porofo izay lasa "dénonciation calomnieuse" na fanalam-baraka. Efa nanatsoaka ilay fijoroana vavolombelona vao tratry ny fitoriana, ka ny faran’ny janoary 2023, dia voalaza fa niverina nanao ny fijoroana vavolombelona io Minisitra teo aloha io noho ny fahadisoam-panantenany. Nambaran’ilay vaovao vahiny kosa fa miady mafy ireo mpiaro an’I Rolly Mercia dia William Bourdon sy ny kabinetrany Bourdon&Associés ho an’ny any ivelany, ary ny mpisolovava Maître Eric Rafidison, izay voalaza fa hanao fanairana vaovao eo anivon’ny Komity misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana. Voalazan’io lahatsoratra io ihany koa, fa tsy maintsy ho avy eto Madagasikara I Arnold Nciko Solontenan’ny ONG Amnesty International. Ny Amnesty International izay ny taona 2020 nandritra ny fisamborana io Minisitra teo aloha io no namoaka ny heviny. Misy amin’ireo mpitondra Frantsay teo aloha ihany koa no nanao fanairana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsa Catherine Colonna, niainga tamin’ny taratasy nosoratan’ny mpisolovavan’I Rolly Mercia William Bourdon. Io minisitra Frantsay io izay ho avy eto Madagasikara ny faran’ny volana aprily, ka isan’ny olona hihaonany ny Filoha Andry Rajoelina. Ny taona 2020 dia efa niantso vonjy tamin’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika ny fianankavian’I Rolly Mercia, saingy tsy Frantsay io Minisitra teo aloha io, ka tsy nisy fiarovana na “protection consulaire” azony natao. Henjana ary avo lenta ny raharaha ka ho afa-bela ve I Rolly Mercia eo anatrehan’ny zava-misy? Afaka tena hiditra an-tsehatra ve ny sehatra maro iraisam-pirenena na firenena vahiny matanjaka eo anatrehan’ny fivoizana fiandrianam-pirenena sy fahaleovantenan’ny Fitsarana Malagasy? Mety ho tafiditra amin’ny dian’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay ve ny fandrisihana ny mpanao politika Malagasy hiroso amin’ny fifanarahana politika avo lenta ka handaminana ny toe-draharaha samihafa mialohan’ny fifidianana ka anisany ny famoahana ireo olon’ny fitondrana teo aloha nogadraina?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap