eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Io fifanarahana io dia miompana amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, angovo, jono, fanondranana lavanila sy jirofo ary fizahantany. Ampanantenain’ny Arabo fa 10 miliara dolara ny famatsiam-bola ho entina hanohanana ireo sehatra ireo. Ankoatra izay, namoaka fanambarana ny fitondrana Rajoelina fa manana 36 tapitrisa hekitara azo volena i Madagasikara, saingy 2 tapitrisa hekitara monja no efa ampiasaina. Ampanantenaina tany be ny Arabo ka hanao fandraharahana ara-pambolena eto hanatrarana hanatrarana ilay Madagasikara ho sompitr’i Ranomasimbe ? Eo amin’ny fizahantany, voaresaka ny harena voajanahary sy ny hakanton’ny nosy. Anisan’ny tanjona lehibe amin’izany ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny fifandraisana, indrindra fa ny tontolo an-dranomasina noho isika manana fari-dranomasina mirefy 5000 km. Mba hahatratrarana izany dia voizina fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Hitrandraka ny ranomasina sy ireo toeram-pizahantany eto ny Arabo izay manamafy ny ahiahin’ny mponina toy ny amin’ny Nosy Mitsio ? Hisy ny fitsidihan’ny filoha Andry Rajoelina any Emirats Arabes Unis amin’ny volana mey 2024. Amin’izany dia hisy “road show” hatao any Dubai, handraisan’ireo sehatra tsy miankina Malagasy anjara, arahin’ny “road show” hotontosain’ny mpandraharaha Emiratis aty Madagasikara. Iray volana lasa izay, efa nitateran’ny Zinfos 974 fa nihaona tamin’ireo mpitondra Emiratis i Andry Rajoelina, ary nanamafy fa hampiasa vola 10 miliara dolara ny Arabo. Tao amin’ny fivorian’ny AIM (Annual Investment Meeting) tany Abu Dhabi, dia efa nambara fa hisy fifanarahana amin’ny Tahirim-bola Abu Dhabi ho an’ny fandrosoana, sy ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny IRENA (Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Angovo azo havaozina). Ny volana mey 2024, nambaran’ny vondrona Emiratis ADP (Abu Dhabi Ports) fa efa nosoniavina ny “Memorandum d’entente” (MoU) miaraka amin’ny Choose Madagascar, mikendry ny fampitomboana ny fahafahana ara-barotra amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina, ny indostria ary ny rindrambaiko. Etsy ankilany, mihisatra sy be fepetra ny famatsiam-bolan’ny mpamatsy vola mahazatra toa ny FMI, izay 103 tapitrisa dolara no mbola tsy mivoaka, toy izany koa ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny 100 tapitrisa dolara. Noho izany, mety aleon’ny Fanjakana Rajoelina miara-miasa amin’ny Emiratis noho ny fahazoana famatsiam-bola mora kokoa. Na izany aza, mipetraka ny fanontaniana: inona no tambiny sy tamberiny amin’ity fiaraha-miasa ity? Tany sy fari-dranomasina ary harem-pirenena samihafa ? Hanao ahoana ny ho fipetraky ny sary ara-jeopolitika sy ara-ekonomika manoloana ny Tandrefana?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa