tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Minisiteran’ny angovo Hanadihady tsirairay ireo mpiasan’ny jirama

Mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny fivahan’ny delestazy. Na voalaza hatrany aza fa mbola ny 15% amin’ny tokantrano Malagasy no misitraka herinaratra, dia mbola tsizarizary,

09-nov-2022

Sample post image

ary arakaraka ny hampanantenana no vao mainka miharatsy ny tolotra. Nilaza ny ministry ny Angovo, Andry Ramaroson omaly, fa "ny fahombiazana na ny fahapotehana dia avy amin'ny olona. Raha manana olona tsara ka na tsy misy vola aza mahay mitady vola. Raha sendra olona ratsy ny kely efa misy eo no potika.", hoy izy. Noho izany, nambara fa nanapa-kevitra izy sy ny Filan-kevim-pitantanana ny hanao "entretien" tsirairay ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny Jirama mahakasika ny asany sy ny manodidina an'izay. Nilaza izy fa havoakany amin'ny sabotsy izao ny vokatr'izay fihaonana ka misy ny hatsahatra amin'ny asany, misy ny hanohy, misy ihany koa ny hanaovana fanadihadiana manokana. Efa betsaka ny raharaha hafahafa tao amin’ny Jirama, toy ny voalaza fa nizaran’ny mpitantana vola hatrany amin’ny 1 miliara nifampizaran’ny mpitantana ambony manodidina ny 25, araka ny dosie niparitaka tany amin’ny jona 2021, ny fanamboarana zaridaina nandaniana vola manodidina ny 1 miliara Ar, ny raharaha fahaverezana solika 64 000 L,… Raha ny tatitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola vao roa herinandro lasa teo izay, dia lohalaharana amin’ny orinasam-panjakana bokan-trosa satria mahatratra hatrany amin’ny 3 317 miliara Ar, raha ny tatitra. Fampanantenana no betsaka niainga tany amin’ny propagandin-dRajoelina izay nanao vava be ny 2018 fa nisy ny “mpampiesona” nampanantena fa 3 volana dia mivaha ny delestazy, saingy tonga avy eo ny “Tena mpampiesona” nampanantena 400MW ao anatin’ny 5 taona; mbola nampiany tamin’ny 10 janoary 2022 fa afaka 6 hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy ka mila miaritra kely Antananarivo; mbola nampian’ity Minisitra ankehitriny ity ny 18 febroary 2022 fa tokony ho afaka tanteraka afaka iray volana ny delestazy; nambara indray ny volana oktobra teo fa aorian’ny fipetrahan’ny milina faha-4 na G4 tao Andekaleka, ary ny farany dia ny nambaran’ny Filoham-pirenena fa tsy niteny izy fa ho foana ao anatin’ny 6 volana, fa amin’ny 2027-2028 any satria amin’izany no hiodina ireo toby famokarana lehibe. Nilaza ny Filoha tany amin’ny COP 27 omaly fa hampiakatra avo roa heny ny famokarana herinaratra, saingy aleo tsiahivina hatrany fa raha ireo tetikasa lehibe andrasana ny fahavitany, dia ny Fanjakana HVM no nahitana ny tetikasa Sahofika 200MW eo sy Volobe 120MW. Fivahan’ny olana no andrasan’ny olona, fa tsy kisehoseho sy fampanantenana miaro serasera lava!
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus