airtel

Actualités

15-févr-2022

Actualités

Minisiteran’ny fitsarana Nahazo fitaovana mitentina 108.000 dolara

Sample post image

Tontosa omaly alatsinainy 14 febroary 2022 tetsy amin’ny minisiteran’ny fitsarana etsy Faravohitra ny lanonana fanolorana fitaovana informatika sy ho an’ny birao avy amin’ny biraon’ny firenena mikambana

15-févr-2022

 miady amin’ny zava-maha domelina sy ny heloka na UNODC. Fitaovana mitentina 108.000 Dolara izay tafiditra indrindra ao anaty fandaharan’asa hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana an-dranomasina na GMCP aty amin’ny tapany andrefana amin’ny ranomasimbe indianina. Ireo dia atolotra ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany na TPI ao Toamasina sy Mahajanga ary ny fitsarana ambony na CA ao Toamasina sy Mahajanga ho fanohanana ny asan’izy ireo sy ho fanatsarana ny lafiny fandriampahalemana an-dranomasina eto Madagasikara. Solosaina miisa 40, « Onduleurs » miisa 40, « Imprimantes » miisa 17, « Cartouches d’encre » miisa 27, « Armoires de bureau » 50 isa, seza miisa 240 ho an’ireo manan-draharaha, latabatra birao 100 ary seza birao 60 moa ireo fitaovana azo ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap