dia misy milaza ihany koa fa tratran’io ny Minisitry ny angovo Andry Ramaroson. Mbola tsy voamarina moa io hatry ny omaly. Raha hiverenana, raharaham-pitantanana misy ahiahy kolikoly goavana tamin’ny fizarana vola 1 miliara Ar mahery ho an’ny mpitantana ny Jirama no voalaza fa isan’ny iahiahiana ny Tale Jeneralin’ny Jirama, izay tsy fantatra mazava izay misy azy ankehitriny. Voalaza teo aloha fa voan’ny covid-19 araka ny taratasy mitondra ny datin’ny 8 novambra izay niparitaka, ka dia niely ny vaovao fa hoe mbola mihiboka. Tao anaty lisitry ny mpandeha an’ny zotra Air Austral hiazo an’I La Réunion indray ny 14 novambra, saingy voalaza fa tsy tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina tao Taolagnaro. Misy ny resaka miely fa efa tafavoaka any La Réunion,... Ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson kosa, dia misy ny ahiahy ara-pitantanana, toy ny fividianana fiara raitra, izay ahiana ho avy amin’ny volan’ny jirama. Ny novambra 2021, naneho ny mpahay toekarena Serge Zafimahova hoe: rariny ve ny fanomezana “prime exceptionnelle” ho an’ireo mpitantana ny Jirama. Ankoatr'izay dia nambarany ihany koa tamin’izany ny fisiana fividianana fiara ho an'ny mpiasan'ny Jirama sy ny eo anivon'ny ministeran'ny angovo ka nilazany hoe: sao dia mba tsy rariny. “Lazaina fa maty antoka na manao “vente à perte” ny Jirama kanefa nahoana no mirobaroba mandany vola be”, hoy izy. “Sao dia tsy maty antoka izany io Jirama io fa fitantanana tsy mahomby no tena misy. Alefaso ny adihevitra hifanatrehana raha sahy hoy izy satria tsy ny mpanjifa mihitsy no terena handoa vola noho ny adalan'ny mpitantana ny Jirama”, hoy hatrany Atoa Serge Zafimahova tamin’izany. Raha ny resaka jirama sy ny Minisiteran’ny angovo, tsy vao izao no nahenoana afera goavana fa na tamin’ny andron’ny Minisitra teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga izay lasa Tale Jeneralin’ny Jirama avy eo aza, dia betsaka ireo dosie goavana nahasaringotra sy nahenoana ny anarany, raha tsy hilaza afatsy ny resaka famoronana toerana tsy ara-dalàna hahazoana vola, fanaovana iraka na “mission” misy olona ampidirina ao anatiny kanefa efa nesorina tamin’ny toerany,… Ankehitriny, ankoatra ny mety ho tsy fahombiazany, toa mampanahy ihany koa ny momba ny Minisitra am-perin’asa. Ity farany izay malaza ihany koa anefa etsy ankilany, fa sarotra ny manozongozona azy noho izy manana sy mahalala tsiambaratelo maro, toy ny raharaha fampiakarana ny vidin-tsolika izay nidangana be farany teo. Tsy finiavana hitsikera na hanakiana olona, fa ny fantatry ny olona sy ny mankarary ny olona aloha izao dia ny hoe: tsy arakaraka ny fampanantenana sy ny seho ivelany atao ny fivahan’ny delestazy, mbola ahenoana ahiahy momba ny aferam-pitantanan’ny manampahefana.
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.