airtel

Actualités

13-sept-2021

Actualités

Minisitra Boamiavotse Raharinirina Velon’ahiahy amin’ny doro tanety etsy sy eroa

Sample post image

“Sarotra ny ady. Mafy ny rivotra. Mahavaky fo ny mahita ny Tanindrazana levon'ny afo ».Ireo no teny namaritan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy

13-sept-2021

 Baomiavotse Raharinirina ny fihetsem-pony ny sabotsy lasa teo no ny afo nidedaka tao amin’ny taninjanakazo ao Marohogo Mahajanga. Mbola nampiany hoe: fifandrifian-javatra sa fanahy iniana natao ? Tsara ho marihana fa mbola miady amin'ny afo any amin'ny valanjavaboahary any Ankarafantsika (RN4) ny ekipan'ny Tontolo Iainana sy ny Zandarimariam-pirenena any Boeny, ny Fokonolona, ny Fikambanana mpiara-miombon’antoka, ny mpitantana ny Faritra arovana....dia may ihany koa ity toerana misy ny fambolen-kazo iarahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga ity.Mampanontany tena ihany , hoy ramatoa minisitra raha iniana atao avokoa izao, na tena vokatr'ilay tsy fitandremana. Nisaotra manokana ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa Elia Béatrice Assoumacou, nanolotra mpianatra mpirotsaka an-tsitrapo 100 mahery, hanampy ny MEDD amin'ny famonoana afo ao Ankarafantsika ny minisitry ny tontolo iainana.Mampieritreritra tokoa ity trangana doro tanety lasa mateti-pitranga ity; ary tokony hampandinin-tena ny rehetra: na ny olom-pirenena tsotra tsy resy lahatra amin’ny fandaminana sy fepetra apetraka io, na ny manampahefana sy mpitondra fanjakana tsy mety mahita vahaolana mahomby momba ny doro tanety.
RTT

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap