airtel

Actualités

24-mars-2026

Minisitra teo aloha

Ny Ando Ralitera

Sample post image

Tsy voamarina sy voahodina ireo resaka aparitaka momba ahy ! »

24-mars-2026

Tafiditra tao anatin’ny horonantsarin’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy ny filazana omaly, fa nitaraina sy norahonana ary nitondran’ilay mpandraharaha Koufali Daya miaramila ny Minisitry ny angovo sy akoron’afo teo aloha Ny Ando Ralitera mba ho fiarovana ny tombotsoan’ny karana, saingy nandà. Nilaza ho miaro an’io Minisitra teo aloha izy eo anatrehan’ny fijoroany. Nandiso tanteraka an’io anefa ity Minisitra ity omaly, ka nilaza fa tsy nisy lahatsoratra na fanehoan-kevitra nataony nilazany an’izany. « Manamafy aho fa tsy voamarina sy voahodina ireo vaovao miparitaka, ary tsy nisy lahatsoratra na fanehoan-kevitra navoakako mifandraika amin’izany. Ankoatra izany, tsy nisy alalana na fanekena avy aty amiko tamin’ny famoahana na fampiasana horonan-tsary mifandraika amiko. Koa mangataka ny rehetra mba tsy hanaparitaka vaovao tsy voamarina. », hoy ity Minisitra teo aloha ity. Endrika iray maneho io, fa mila fahamalinana ny fandraisana an’ireny karazana fanambarana ara-politika samihafa eny amin’ny tambajotran-tserasera ireny, izay tafiditry ny kajikajy goavana samihafa mifandraika amina tombotsoa politikana vondron’olona na ampahan’olona. Mety ho marina, mety ho marina amin’ny ampahany, mety ho diso tanteraka,… ka anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy mandalina mba tsy hihinana am-bolony na avy amin’iza na avy amin’iza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap