taorian’ny fahavitan’ny tombana ho an’ireo mpitantana miisa 30 efa nandalo fanombana teo anivon’ny Jirama. "Misy ny tena mahay ny asany. Tsy voafehiny anefa ny mampita izany any amin'ny mpiara-miasa aminy", hoy ny minisitra. Tsy mahay mifampiresaka ny mpiara-miasa. Misy ny mianona fotsiny amin'ny asany fa tsy mijery ny asa hafa anefa mifampiankina ireo » hoy hatrany ny minisitra, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao. 19 tamin'ireo 30 moa raha hiverenena no nahazo naoty tsara nandritra ny tomban'ezaka raha tsy nahazo salan'isa akory ny 11 ambiny. Na izany na tsy izany, "tsy hisy ny fandroahana mpiasa" raha ny fanazavana. "Hafindra amin'ny toerana heverina fa mety aminy ireo tsy mipetraka amin'ny toerana tokony misy azy". Hisy ny fanosehana sy fanampiana ireo hita fa niezaka satria tsy zato isan-jato ny ezaka nataon'izy ireo na dia nahazo naoty tsara aza. "Zavatra fanao amin'ny orinasa rehetra ny tomban'ezaka", hoy ny minisitra "ka tsy tokony hanohitohina ny hafa". Mandalo izany avokoa na ny tenany minisitra aza. Nambara fa mbola mitohy ny tomban'ezaka ary havoaka ampahibe-maso tsy ho ela ny valin'izany. Na izany aza, manaitra ihany ilay filazana fa ny 70% amin’ny olona dia tsy fahafezan’asa avokoa, ary ny 30 hasomparana. Raha zohiana amin’io, nailika avokoa any amin’ny mpiasa izany ny tsy fahombiazana, fa ny olona ambony toy ny Minisitra sy ny Fanjakana foibe tena mahavita azy sy mahomby ny politika momba ny angovo apetrany? Ny mpiasa izay efa nanamarika hatrany fa mpanatanteraka baiko. Tena goavana ary mampanontany tena izany hoe: ny 70%n’ny teknisianina dia tsy mahafehy ny asany avokoa. Heverina fa mbola ny ao anatiny ihany koa no mandrafitra ilay 30% ambara fa hasoparana satria efa nisy fotoana ny Minisitra nilaza fa misy mafia ao amin’ny Jirama. Tena ireo teknisianina sy mpiasan’ny Jirama izay mivelona sy mamelona vady aman-janaka amin’io tokoa ve ny fositra sy tsy mahafehy ny asany, ary manao ankasoparana ka mandrendrika ny Jirama? Ary aiza ho aiza ny andraikitry ny fitondram-panjakana sa ampy ny fampanantenana lava fa amin’izao sy izao no ho foana ny delestazy? Ny 15% amin’ny vahoaka Malagasy aza no misitraka herinaratra dia izao no zava-misy mainka fa ny rehetra ?
Toky R
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,