airtel

Actualités

17-janv-2024

Minisitry ny angovo sy akoran’afo

“Hitohy hatrany ny firesahana amin’ireo kaompanian-tsolika”

Sample post image

Anatin’ny andraikitry ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo tanteraka ny resaka solika,

17-janv-2024

hoy ny minisitra misahana izany vaovao, Olivier Jean-Batiste, nandritry ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny teo alohany, Soloniaina Andriamanampisoa, omaly. Hitohy hatrany, hoy izy, ny firesahana amin’ireo kaompanian-tsolika ary angamba tsy dia hisy loatra ny olana satria fantatr’ireo tsara ny tenako tao anatin’io sehatra io fony tao amin’ny OMH. Ny resaka vidin-tsolika tsy afaka ho ambara mialoha satria na ny vidin’ny barilina amin’ny herinandro aza mbola tsy fantatra. Raha misy angamba tsena iray faran’izay mihetsiketsika indrindra eto an-tany dia io vidin-tsolika io. Tsy isika malagasy no mametraka ny vidin-tsolika fa fantantsika ny odidina iraisampirenena. Eo ny tolotra. Eo ny tinady. Eo ny jeopolitika. Vao be loatra ny ady any amin’iny “Moyen orient” iny dia miakatra ilay izy. Raha vao mampihena famokarana ireo mpamokatra ngeza dia miakatra ilay izy. Rehefa somary mihena indray nefa ny tinady amin’ireny firenena mandroso ireny eo amin’ny lafiny toekarena dia mihena ilay izy. Tsy maintsy ho arahana isan’andro izany io ary hiresahana mandrakariva amin’ireo kaompanian-tsolika sy ny fitondram-panjakana. Eo amin’ny lafiny angovo moa dia efa isan’ny mipetraka ilay 105 MW fa isan’ny hiazakazahana koa ny resaka sahan’angovo azo avy amin’ny masoandro na Parc solaire. Eo koa ny fanatsarana ankapobeny ny tambazotra eto Antananarivo izay fantantsika fa efa somary antitra. Raha vao ratsy ny andro dia nisaoty izao ny famatsy herinaratra na “dijoncteur”. Fiaraha-miasa akaiky amin’ny JIRAMA, noho izany, no atao aloha hamahana aingana ny olana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap