airtel

Actualités

03-févr-2022

Actualités

Minisitry ny fiarovana Lasa hanao inona any Russie ?

Sample post image

Misy ny loharanom-vaovao milaza amin'izao fotoana izao fa lasa any Russie ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard.

03-févr-2022

Tsy misy kosa ny fampitam-baovao ofisialin'ny tafika mikasika an'io ka andrasana izay mety fanamarinana na fandisoana. Asa inona loatra no diany any? Amin'izao toe-draharaha mampihenjana ny fifandraisana eo amin'ny Rosiana sy ny Amerikanina no mandeha ny fivoahana sy fitsidihana an'i Russie. Zavatra maika ve ka tsy maintsy nandeha. Ny eto amin'ny firenena ihany koa mantsy manahirana ihany eo anatrehan'ny ho fidiran'ny rivodoza kanefa manana andraikitra amin'izany ny tafika. Tsy vao izao no nisiana fivoahana any ivelany tahaka izao. Ny volana febroary 2021 dia isan'ireo niatrika "Aero India 2021" tany Inde ity Minisitra ity, ka nambara fa tanjona ny hijery ireo teknolojia momba io sehatra io sy hitadiavana mpiara-miombon'antoka. Resaka fitaovam-piadiana ary ve izany no anton-dia any Russie satria isan'ireo efa lasa lavitra amin'izany ity Firenena herin'ny Firaisana Sovietika ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap