airtel

Actualités

25-oct-2021

Actualités

Ministeran’ny serasera Te hamerina ny sivana ve ?

Sample post image

Taorian’ireo fanadihadiana nataona haino aman-jery iraisampirenena tato ho ato mikasika ny fiainam-pirenena eto Madagasikara, indrindra,

25-oct-2021

 ny nataon’ny haino aman-jery frantsay France 24, dia nampahatsiahy ireo fepetra tokona harahana hahafahana manao izay fanadihadiana amin’ny endriny rehetra izay eto Madagasikara ny zoma teo ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny fifandraisana. Raha ny fanazavana voaray moa dia ireo haino aman-jery sy trano mpamokatra vahiny no tena antony nanaovana izay fampahatsiahivana izay. Isan’ireo fanadihadiana niteraka resabe nataon’ny haino aman-jery voalaza teo moa ny mikasika ny kere any atsimo izay nampisehoan’ity haino aman-jery ity fa mihinana hatramin’ny kappa hoditra mihitsy ireo mponina any an-toerana noho ny mosary manjaka any amin’iny faritra iny. Nisongadina fanindroany taorian’io kosa ny fanadihadiana faharoa izay mbola nataon’ny France 24 ihany fa miresaka kosa indray mikasika ny zava-misy momba ny fitantanana ny fadin-tseranana na ny ladoany eto Madagasikara izay nanehoan’ity fampahalalam-baovao ity fa volabe 454.000 Euro izay hahafahana manangana CSB maromaro no nisy nanodinkodina tao amin’ity rafi-panjakana ity tamin’ny alalan’ny halatra natao tamin’ny rindram-baiko na ny rafitra hitantanana ireo solosaina eo anivon’ny ladoany. Ity resaka farany ity vao tamin’ny fiafaran’ny herinandro teo ary taorian’izay mihitsy no nahagaga ireo mpanara-baovao fa nivoahan’ilay fampahatsiahivana mikasika ireo lalana sy didim-panjakana maromaro toy ny lalana laharana 2016-029 nivoaka ny 24 aogositra 2016 izay navaozin’ny lalana laharana 2020-006 ny 1 septambra 2020 mikasika ny serasera amin’ny haino aman-jery sy ny didim-panjakana laharana 2019-2210 ny 11 desambra 2019 izay mifandray amin’ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina Malagasy na ISSM tamin’ny fotoan’androny. Isany koa ny didim-pitondrana 5632/2021 ny 25 febroary 2021 teo mikasika ireo antotan-taratasy ilaina raha hangataka fanodinana horonantsary. Isan’ny manaitra ao anatin’ilay fepetra apetraky ny fitondram-panjakana mikasika izany rehetra izany ny filana ny andinindininy mikasika ilay fanadihadiana sy ny dingana hanaovana izany, eny na ny karazana haifitantarana na ilay antsoin’ireo matihanina amin’ny fanodinana horonantsary amin’ny hoe “synopsis” sy “script”. Voamarika ao koa aza ny hoe takiana ny drafitra manontolo na “planning” antsipirihiny mikasika ilay horonantsary tiana atao. Tsy toy ny mangataka ve izany hoe omeo anay ny lohantenin’ny gazety Tia tanindrazana rahampitso sy ilay lahatsoratra miaraka aminy? Maro ireo mampiahiahy mikasika ity fepetra apetraky ny fitondram-panjakana ary mampametra-panontaniana hoe te hiverina any amin’ny fanivanana na “censure” mihitsy ve izao fitondrana mijoro izay milaza ho mampanjaka ny falalahana sy demokrasia izao ?

Namoaka fanambarana indray moa ny faran’ny herinandro teo ny ministeran’ny serasera fa he mety maro no diso fandray tamin’ny zavatra nambarany fa tsy misy izany hoe mangataka alalana izany fa fandaminana fomba fiasa no natao.Tsy fantatra intsony izany tena marina sy tiana hahatongavana !

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap