airtel

Actualités

16-mai-2022

Actualités

Misaona ny tontolo politika Nodimandry i Daniel Ramaromisa

Sample post image

Misaona ny tontolo politika Malagasy satria dia nodimandry omaly teo amin’ny faha 92 taonany ny mpanao politika, Daniel Jean Ramaromisa, fantatry ny maro tamin’ny hoe Daniel Ramaromisa.

16-mai-2022

Azo lazaina ho isan’ireo mpanao politika nandalo ny ambaratonga ambany indrindra teo amin’ny fitantanana fiarahamonina, izany hoe filoham-pokontany teny Ampefiloha ny tenany, ny fiandohan’ny taona 1980, no lasa minisitra avy eo ny taona 1992. Nandry fahalemana Ampefiloha tamin’ny fotoana naha filoham-pokontany azy, hoy ny vavolombelon’ny tantara tamin’ny fotoan’andro. Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro moa izy tao anatin’io fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka io. Ahatsiarovan’ny mpanara-baovao azy tamin’izany kosa ilay fehezanteniny tamin’ny teny frantsay hoe “Vous êtes tous formidables” nandritry ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavim-pirenena ny taona 1992 raha niantso vohin-kava mahatratra na “telethon” voalohany momba ny Kere tany atsimo, izay raha ny fanazavan’ny tamin’izany fotoana dia hoe tsy naharihary raha tsy ny fiandohan’ny taona 1990. Mpanamory fiaramanidina ihany koa i Daniel Ramaromisa . Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ireo akaiky ity oloben’ny politika Malagasy ity rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap