airtel

Actualités

17-févr-2026

Mivoatra ny fifandraisantsika

amin’ny Iraisam-pirenena Manoka-baravarana ny UA,

Sample post image

mitohy ny fiaraha-miasa maro

17-févr-2026

Nisy ny fandraisana ny delegasiona malagasy nataon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana na dia niseho tao anatin’ny toe-draharaha ara-diplomatika henjakenjana noho ny fampiatoana an’i Madagasikara. Io fihaonana ambony io anefa dia vokatra avy amin’ny asa fandrindrana mangina nefa tena manan-danja, nataon’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana. Tao anatin’izany, nifandray akaiky i Onitiana Realy, Tale Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy i Mohamed El-Amine Souef, Tale Kabinetra eo anivon’ny Filohan’ny Vaomiera Afrikana. Ny fiaraha-miasa nataon’izy ireo no namorona ny toe-javatra nahafahana nandray ny delegasiona notarihin’i Christine Razanamahasoa, Minisitry ny Raharaham-bahiny, izay noraisin’i Mahamoud Ali Youssouf. Ny fifampitokisana efa niorina hatramin’ny ela no voalaza fa fototra nanamafy ity fiaraha-miasa ity. Raha tsiahivina, i Mohamed El-Amine Souef no voalohany nanolotra fiarahabana an’i Onitiana Realy tamin’ny fotoana nanendrena azy ho Tale Kabinetra, fihetsika maneho fanajana sy fifampitokisana izay taty aoriana nitarika ho amin’ny fiaraha-miasa mahomby. Nandritra ny fihaonana dia nanamafy ny fanoloran-tenany ny manampahefana malagasy hanaja ny fe-potoana 24 volana ho fananganana ny Repoblika vaovao sy ny fikarakarana fifidianana vaovao. Io hetsika io dia manasongadina ny andraikitry ny fiaraha-miasa anivon’ny kabinetra amin’ny fanarenana ny fifampiresahana ara-politika sy ara-institusionaly eo amin’ny sehatra afrikanina. Ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena, matetika ny fandrosoana hita maso dia miorina amin’ny asa tsy hita maso. Ny fandraisana ny delegasiona malagasy dia porofo mazava fa ny fifampiresahana sy ny fifampitokisana eo amin’ny kabinetra no manokatra varavarana politika, na dia eo aza ny fampiatoana an’i Madagasikara. Ny fiarahabana voalohany nataon’i Souef tamin’i Realy dia lasa mariky ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa, izay ankehitriny tafiditra ho hetsika ara-diplomatika. Amin’izao fotoana izao, Madagasikara dia afaka nanamafy indray ny finiavany hanaja ny fandaharam-potoana ara-panjakana sy hanokatra tsikelikely ny fifampiresahana amin’ny sehatra kontinantaly. Heverina fa tsy tongatonga ho azy, fa varavarana misokatra ho an’i Madagasikara any amin’ny fiverenan’ny fitokisana manontolo.

MANAN-DANJA ARA-DIPLAOMATIKA NY TSY FANASAZIAN’NY SADC, NY FITOHIZAN’NY FIARAHA-MIASA IRAISAM-PIRENENA,…
Nisy kosa ny fihaonana teo amin’i Elias Magosi, Sekretera Mpanatanteraka ao amin’ny SADC sy Mohamed Idriss Farah, solontenan’ny AU ho an’i Madagasikara. Nandritra izany, dia naneho ny ahiahiny momba ny fahalemena ara-politika sy ara-piarahamonina ao amin’ny firenena izy ireo, indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa izay niteraka filàna vonjy maika ara-humanitaire. Nampahatsiahivin’i Farah fa ilaina ny fanohanana mirindra sy ny fanamafisana ny fifampiresahana politika anisan’ny fototra amin’ny fanarenana. Ny efa nanambara ny fanomanana ny fametrahana CENI vaovao sy ny fanombohana ny fanavaozana ara-panjakana, ary ny karazana fanazavana nentin’ny SADC tao anatin’ity fihaonana ity ihany koa dia teboka miabo ho an’i Madagasikara. Araka ny fanapahan-kevitry ny Fivoriana an-tampon’ny SADC, dia takiana amin’ny Governemanta ny fametrahana tatitra mazava momba ny fandrosoan’ny fanavaozana alohan’ny faran’ny volana Febroary. Ny « Groupe des Sages » dia efa nanao fanombanana ary mbola andrasana ny tatitra ofisialy. Araka ny fanambarana ofisialy, ny SADC dia nisafidy ny hanohy hiara-miasa amin’ny manampahefana vonjimaika fa tsy hanapaka na hanasazy. Ny fomba fiasa dia voafaritra ho “réfléchie, structurée et éclairée”, mikendry ny hanampy amin’ny fananganana rafitra maharitra sy amin’ny fanomanana fifidianana azo antoka. Namafisin’i Elias Magosi fa ilaina ny maka lesona avy amin’ny krizy 2011 mba tsy hamerina ny olana taloha. Na tiana na tsy tiana, miova ny fomba fijery diplaomatika matoa mitohy ny fanampiana iraisam-pirenena, fiaraha-miasa,… Endriky ny fivoaran’ny diplaomasia izao, ary taratry ny faharesena tanteraka ho an’i Andry Rajoelina izay miezaka manao fingana diplaomatika, indrindra fa aty Afrika, ary mbola nalaza fa nikasa hanao adisisika handray anjara tamin’ny Fivorian’ny Vondrona Afrikanina aza fa voahilika !

Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap